Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 48:39 - Baiboly Katolika

He ity fahatorotoròny! Mba misentoa ianareo. He ity fiambòhon’i Moaba amin-kenatra! Tonga fihomehezana i Moaba, tonga fampitahorana ho an’izay rehetra mifanakaiky aminy izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Indrisy! Raiki-tahotra izy! Midradradradrà! Indrisy! Efa miamboho i Moaba, mangaihay izy ka tonga mampihomehy sady mampatahotra ho an’izay rehetra manodidina azy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

–Manaova hira fisaonana hoe: «Andray ity hakivian’i Môaba! Henatra moa izao fa niamboho ady izy.» Hanjary fihomehezana sy fampitahorana ho an’ireo firenena rehetra manodidina azy i Môaba.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

–Manaova hira fisaonana hoe: «Andray ity hakivian’i Môaba! Henatra moa izao fa niamboho ady izy.» Hanjary fihomehezana sy fampitahorana ho an’ireo firenena rehetra manodidina azy i Môaba.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Indrisy! raiki-tahotra izy! Midradradradrà! Indrisy! efa miamboho Moaba, mangaihay izy, Ka dia tonga fihomehezana sy fampitahorana ho an’izay rehetra manodidina azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Indrisy! raiki-tahotra izy! Midradradradrà! Indrisy! efa miamboho Moaba, mangaihay Izy, ka dia tonga fihomehezana sy fampitahorana ho an'izay rehetra manodidina azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Indrisy! Raiki-tahotra izy! Midradradradrà! Indrisy! Efa miamboho i Moaba, mangaihay izy ka tonga mampihomehy sady mampatahotra ho an’izay rehetra manodidina azy.

Jereo ny toko



Jeremia 48:39
10 Rohy Ifampitohizana  

Dia ho menatra i Moaba noho ny amin’i Kamosy toy ny nahamenaran’ny taranak’i Israely, noho ny amin’i Betela izay nitokiany.


Ianareo rehetra mifanakaiky aminy, samia mitsapa alahelo azy, ary ianareo rehetra mahalala ny Anarany, samia milaza hoe: «Ahoana no dia tapaka ny tehina mafy toy izany, ny tehim-panjakana kanto toy izany?»


Ahoana re no mitoetra manirery ity, ilay tanàna be olona! Zary toa mpitondratena, ilay nalaza tamin’ny firenena! izy izay mpanjaka vavy eo amin’ny faritany, natao mpandoa hetra.


Ahoana re no nanaronan’ny Tompo rahona, noho ny fahatezerany ny zanaka vavin’i Siôna? Navariny aman-tany avy any an-danitra, ny hatsarana kanton’i Israely, tsy tsaroany intsony ity fitoeran-tongony, tamin’ny andro fahatezerany rehetra.


Ahoana no nihamatroka ny volamena, nihasimba ny volamena madio, niely patrana ny vato voahasina, eny an-joron-dalambe rehetra eny.