Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 48:39 - DIEM PROTESTANTA

39 –Manaova hira fisaonana hoe: «Andray ity hakivian’i Môaba! Henatra moa izao fa niamboho ady izy.» Hanjary fihomehezana sy fampitahorana ho an’ireo firenena rehetra manodidina azy i Môaba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

39 Indrisy! Raiki-tahotra izy! Midradradradrà! Indrisy! Efa miamboho i Moaba, mangaihay izy ka tonga mampihomehy sady mampatahotra ho an’izay rehetra manodidina azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

39 –Manaova hira fisaonana hoe: «Andray ity hakivian’i Môaba! Henatra moa izao fa niamboho ady izy.» Hanjary fihomehezana sy fampitahorana ho an’ireo firenena rehetra manodidina azy i Môaba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

39 He ity fahatorotoròny! Mba misentoa ianareo. He ity fiambòhon’i Moaba amin-kenatra! Tonga fihomehezana i Moaba, tonga fampitahorana ho an’izay rehetra mifanakaiky aminy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

39 Indrisy! raiki-tahotra izy! Midradradradrà! Indrisy! efa miamboho Moaba, mangaihay izy, Ka dia tonga fihomehezana sy fampitahorana ho an’izay rehetra manodidina azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

39 Indrisy! raiki-tahotra izy! Midradradradrà! Indrisy! efa miamboho Moaba, mangaihay Izy, ka dia tonga fihomehezana sy fampitahorana ho an'izay rehetra manodidina azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 48:39
10 Rohy Ifampitohizana  

Ho diso fanantenana i Môaba amin’i Kemôsy andriamaniny tahaka ny nahadiso fanantenana an’i Israely avaratra tamin’ny andriamanitr’i Betela izay nianteherany.


Koa ianareo rehetra mpifanila aminy sady mahalala ny lazany dia manehoa fiaraha-miory ka manaova hoe: «Ahoana no nahapotika ity hery màzana sy ity fahefàna be voninahitra ity?»


Indrisy! Mitoetra manirery izao ilay tanàna feno olona fahiny! Tonga toy ny mpitondratena ilay nalaza tamin’ireo hafa firenena; manao ny asan’ny mpanompo izao ilay andriambavy nifehy faritany maro!


Indrisy! Tezitra ny Tompo ka nanaron-draho-mainty an’i Tsiôna. Avy any an-danitra no nanjerany amin’ny tany izay natao ho voninahitr’i Israely. Tamin’ny androm-pahatezerany dia hadinony fa i Tsiôna no fandiavan-tongony.


Indrisy! Nihavasoka ny volamena; efa nihamatroka ilay metaly tsara; ireo vatosoa voatokana ho an’ny Tompo dia niparitaka teny an-dalambe rehetra teny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra