Ny latabatra atsangana, ny tily miambina, ny olona mihinana sy misotro. - Mitsangàna, ianareo kapiteny! Hosory ny ampinga!
Jeremia 46:3 - Baiboly Katolika Vonòny ny ampinga kely aman’ampinga be ka mandrosoa hiady! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mivonòna amin’ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe ka mandrosoa hiady; DIEM PROTESTANTA Manome baiko ny manamboninahitra hoe: «Omany ny ampinga kely sy lehibe ary mandrosoa hiady. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Manome baiko ny manamboninahitra hoe: «Omany ny ampinga kely sy lehibe ary mandrosoa hiady. Baiboly Protestanta Malagasy Mitaova amin’ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe, Ka mandrosoa hiady; Malagasy Bible Mitaova amin'ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe, ka mandrosoa hiady; La Bible en Malgache Mivonòna amin’ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe ka mandrosoa hiady; |
Ny latabatra atsangana, ny tily miambina, ny olona mihinana sy misotro. - Mitsangàna, ianareo kapiteny! Hosory ny ampinga!
Torionareo any Ejipta, ampandreneso any Migdôla, ampandreneso any Nôfa sy any Tafnesa; ka lazao hoe: Milahara ianareo, ka miomàna; fa efa mandripaka sahady eny amin’ny manodidina anareo ny sabatra!
Indro, eny an-tendrombohitra, ny tongotry ny iraka mitondra filazana mahafaly, izay manambara fiadanana. Ankalazao ny fetinao, ry Jodà, efao ny voadinao! Fa tsy handalo eo aminao intsony izy; efa levona mihitsy ny ratsy fanahy.
Mantsakà rano ho anao ho fitaovana amin’ny fahirano; hamafiso ny manda, manditia tanimanga, mihose tanidilatra, raiso ny lasitra hanaovana biriky.