Jeremia 45:3 - Baiboly Katolika Ianao nanao hoe: «Idiran-doza aho ity! fa tsindrian’i Iaveh alahelo ny fijaliako, reraky ny misento aho, fa tsy mahita fitsaharana.» Ka lazao aminy hoe: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy ianao: Nidiran-doza aho ity fa nampian’NY TOMPO alahelo ny fanaintainako! Efa sasatra ny misento aho ka tsy mahita fitsaharana. DIEM PROTESTANTA «Idiran-doza aho, hoy ianao, fa ampian’ny TOMPO alahelo indray ny fahoriako; efa sasatry ny misento aho fa tsy mba misy hitsaharana!» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Idiran-doza aho, hoy ianao, fa ampian’ny TOMPO alahelo indray ny fahoriako; efa sasatry ny misento aho fa tsy mba misy hitsaharana!» Baiboly Protestanta Malagasy Hoy hianao: Idiran-doza aho ity! fa nampian’i Jehovah alahelo ny fanaintainako; efa sasatra ny misento aho ka tsy mahita fitsaharana. Malagasy Bible Hoy ianao: Idiran-doza aho ity! fa nampian'i Jehovah alahelo ny fanaintainako; efa sasatra ny misento aho ka tsy mahita fitsaharana. La Bible en Malgache Hoy ianao: Nidiran-doza aho ity fa nampian’NY TOMPO alahelo ny fanaintainako! Efa sasatra ny misento aho ka tsy mahita fitsaharana. |
Endrey, raha izay re aho no tsy matoky hahita ny hatsaram-pon’i Iaveh, any amin’ny tanin’ny velona!...
Ketraka ny fanahiko ato anatiko, ka izany no ahatsiarovako Anao, eo amin’ny tanin’i Jordany, mbamin’i Hermôna, sy ny tendrombohitr’i Misara.
Trotraka aho, azon’ny misento, ampo-dranomaso isan’alina ny fandriako; vonton’ny ranomasoko ny farafarako.
Tafalentika amin’ny fotaka mandrevo aho, ka tsy misy hamaharan’ny tongotro. Tafatsoboka anaty hantsan-drano aho, ary efa difotry ny onjan-drano.
Iza no mba hampahita ahy, fialofan’ny mpandeha any an’efitra, handaozako ny fireneko, hihatahako amin’izy ireo, satria izy ireo mpijangajanga avokoa, fiangonan’olona mpivadika.
Ny taolako dia nandatsahany avy any ambony, afo mandoro azy; novelariny fandrika eo anoloan’ny tongotro, ka nampihemotra ahy; nahatrany tamiko ny fahoriana ka reraka mandritra ny andro izao aho.
Ho mby eo anatrehanao avokoa anie ny faharatsian’ireo, mba hitondranao azy, toy ny nataonao tamiko noho ny fahadisoako rehetra! Fa be ny fisentoako, ka marary ny foko!
Koa tsy ketraka izahay, manana izany fandraharahana izany, araka ny famindram-po natao taminay;
Izany no tsy mahakivy anay; satria na mihalevona aza ny tenanay ivelany, dia havaozina isan’andro kosa ny tenanay anatiny.