Hotompoin’ny firenena rehetra izy sy ny zanany aman-janaky ny zanany, mandra-pahatongan’ny fotoan’ny taniny indray kosa, ka hampanompoan’ny firenena maro ama-mpanjaka lehibe azy.
Jeremia 44:30 - Baiboly Katolika Izao no lazain’i Iaveh: Indro Aho manolotra an’i HôfràFaraôna, mpanjakan’i Ejipta, eo an-tanan’ny fahavalony, sy eo an-tanan’izay mitady ny ainy; toy ny nanolorako an’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà, tamin’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, fahavalony sy nitady ny ainy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, i Farao-Hofra, mpanjakan’i Ejipta, dia hatolotro eo an-tanan’ny fahavalony sy eo an-tanan’izay mitady ny ainy, toy ny efa nanolorako an’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, ho eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, izay fahavalony nitady ny ainy. DIEM PROTESTANTA Ary izao lazaiko izao no famantarana: Indro hatolotro eo an-tanan’ireo fahavalo mitady hahafaty azy ny Farao Hôfrà mpanjakan’i Ejipta tahaka izay nanolorako an’i Tsedekià mpanjakan’i Joda ho eo an-tanan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna izay fahavalo nitady hahafaty azy.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary izao lazaiko izao no famantarana: Indro hatolotro eo an-tanan’ireo fahavalo mitady hahafaty azy ny Farao Hôfrà mpanjakan’i Ejipta tahaka izay nanolorako an’i Tsedekià mpanjakan’i Joda ho eo an-tanan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna izay fahavalo nitady hahafaty azy.» Baiboly Protestanta Malagasy Izao no lazain’i Jehovah: Indro, Farao-hofra, mpanjakan’i Egypta, hatolotro eo an-tànan’ny fahavalony sy eo an-tànan’izay mitady ny ainy, toy ny efa nanolorako an’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, ho eo an-tànan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, izay fahavalony nitady ny ainy. Malagasy Bible Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Farao-hofra, mpanjakan'i Egypta, hatolotro eo an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'izay miady ny ainy, toy ny efa nanolorako an'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ho eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, izay fahavalony nitady ny ainy. La Bible en Malgache Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, i Farao-Hofra, mpanjakan’i Ejipta, dia hatolotro eo an-tanan’ny fahavalony sy eo an-tanan’izay mitady ny ainy, toy ny efa nanolorako an’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, ho eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, izay fahavalony nitady ny ainy. |
Hotompoin’ny firenena rehetra izy sy ny zanany aman-janaky ny zanany, mandra-pahatongan’ny fotoan’ny taniny indray kosa, ka hampanompoan’ny firenena maro ama-mpanjaka lehibe azy.
I Sedesiasa mpanjakan’i Jodà sy ireo loholona ao aminy hatolotra eo an-tanan’ny fahavalony, eo an-tanan’ireo mitady ny ainy, eo an-tanan’ny tafik’i Babilôna izay efa lasa niala taminareo.
Ary izao no famantarana ho anareo - teny marin’i Iaveh, - fa hovangiako eto amin’ity fitoerana ity tokoa ianareo, mba hampiharihary aminareo fa tsy maintsy tò mihitsy ny teniko hahatonga loza aminareo.
Ry zanak’olona, ny sandrin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta, dia notapahiko, ka indro tsy notsaboina, tsy nasiam-panafody na nopetahana bandy, hitsaboana azy mba hahatanjaka azy, hahatan-tsabatra.
Koa iza no itovizanao voninahitra amam-pahalehibeazana, ireo hazon’i Edena? Havarina ianao miaraka amin’ny hazon’i Edena any ambanin’ny tany; hamparina eo amin’ireo tsy voafora, miaraka amin’ireo voatrobaky ny sabatra. Izany no hanjò an’i Faraôna, mbamin’ny vahoakany maro, - teny marin’ny Tompo Iaveh.-