Ny amin’ny vahoaka tafajanona tany amin’ny tanin’i Jodà, navelan’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna kosa, dia i Godoliasa zanak’i Ahikama zanak’i Safàna no notendreny ho mpanapaka azy.
Jeremia 43:5 - Baiboly Katolika Fa nentin’i Johanàna zanak’i Karea, mbamin’ireo mpifehy miaramila rehetra ihany ny sisan’i Jodà rehetra, ireo izay efa niverina avy any amin’ny firenena rehetra nielezany, honina eo amin’ny tanin’i Jodà, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa i Johanana, zanak’i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra, dia nitondra ny sisa rehetra tamin’ny Joda, izay niverina avy tany amin’ny firenena rehetra nandroahana azy honina ao amin’ny tanin’ny Joda, DIEM PROTESTANTA Fa nentin’i Jôhànana zanakalahin’i Karehà sy ireo rehetra mpifehy ny andia-miaramila kosa ny vahoaka sisa tavela tao amin’ny fanjakan’i Joda, izany hoe ny olona rehetra voaroaka tany amin’ireo firenena manodidina ka niverina honina tao Joda indray, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa nentin’i Jôhànana zanakalahin’i Karehà sy ireo rehetra mpifehy ny andia-miaramila kosa ny vahoaka sisa tavela tao amin’ny fanjakan’i Joda, izany hoe ny olona rehetra voaroaka tany amin’ireo firenena manodidina ka niverina honina tao Joda indray, Baiboly Protestanta Malagasy Fa Johanana, zanak’i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra dia nitondra ny sisa rehetra tamin’ny Joda, izay niverina avy tany amin’ny firenena rehetra nandroahana azy honina ao amin’ny tanin’ny Joda, Malagasy Bible Fa Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra dia nitondra ny sisa rehetra tamin'ny Joda, izay niverina avy tany amin'ny firenena rehetra nandroahana azy honina ao amin'ny tanin'ny Joda, La Bible en Malgache Fa i Johanana, zanak’i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra, dia nitondra ny sisa rehetra tamin’ny Joda, izay niverina avy tany amin’ny firenena rehetra nandroahana azy honina ao amin’ny tanin’ny Joda, |
Ny amin’ny vahoaka tafajanona tany amin’ny tanin’i Jodà, navelan’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna kosa, dia i Godoliasa zanak’i Ahikama zanak’i Safàna no notendreny ho mpanapaka azy.
Ny amiko, dia honina ao Masfà aho, ho mpanao raharahan’ny Kaldeanina, tonga atỳ aminareo; ary ianareo kosa, angony ny divay amam-boankazo sy diloilo, ka ataovy amin’ny fasiana azy, dia monena amin’izay tanànanareo, izay hipetrahanareo.»
Dia nentin’i Ismaely ho babo ny olona sisa tao Masfà, ireo zanaka vavin’ny mpanjaka mbamin’ny vahoaka rehetra tafajanona tao Masfà, izay nomen’i Nabozardàna lehiben’ny mpiambina an’i Godoliasa zanak’i Ahikama, ho filohany; nentin’i Ismaely zanak’i Nataniasa ho babo ireo, dia lasa nankany amin’ny taranak’i Amôna izy.
Dia nandeha izy ireo, ka teo amin’ny tranom-bahiny ao Kanaama, akaikin’i Betlehema, no nijanona, vao lasa nankany Ejipta,
Ho sitraky ny mpanjaka tompoko anie ankehitriny ny hihaino ny tenin’ny mpanompony: Raha i Iaveh no nanesika anao hamely ahy, aoka hankasitrahiny ny hanitry ny fanatitra anankiray; fa raha olombelona kosa, aoka ho voaozona eo anatrehan’i Iaveh izy, satria efa nandroaka ahy izy izao, mba hanesotra amiko ny anjara-toerako amin’ny lovan’i Iaveh, nanao hoe: Mandehana manompo andriamani-kafa.