Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 41:9 - Baiboly Katolika

Ny lava-drano nanarìan’i Ismaely ny fatin’ireo olona novonoiny noho ny amin’i Godoliasa, dia ilay nataon’i Asa, mpanjaka, noho ny amin’i Baasa, mpanjakan’i Israely, io no nofenoin’i Ismaely zanak’i Nataniasa, faty.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ilay lavaka nanarian’Ismaela ny fatin’ny olona rehetra izay novonoiny ho eo anilan’i Gedalia, dia ilay nataon’i Asa mpanjaka mba hiereny an’i Basa, mpanjakan’ny Israely, dia nofenoin’Ismaela, zanak’i Netania, faty.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny lava-drano izay nasain’i Jismahela nanipazana ny fatin’ireo olona novonoiny dia lava-drano lehibe izay nasain’i Asà mpanjaka noloahana fony izy niady tamin’i Bahasà mpanjakan’i Israely. Nofenoin’i Jismahela faty izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny lava-drano izay nasain’i Jismahela nanipazana ny fatin’ireo olona novonoiny dia lava-drano lehibe izay nasain’i Asà mpanjaka noloahana fony izy niady tamin’i Bahasà mpanjakan’i Israely. Nofenoin’i Jismahela faty izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ilay lavaka nanarian’Isimaela ny fatin’ny olona rehetra, izay novonoiny ho eo anilan’i Gedalia, dia ilay efa nataon’i Asa mpanjaka mba hiereny an’i Basa, mpanjakan’ny Isiraely, dia nofenoin’Isimaela, zanak’i Netania, faty.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ilay lavaka nanarian'Isimaela ny fatin'ny olona rehetra, izay novonoiny ho eo anilan'i Gedalia, dia ilay efa nataon'i Asa mpanjaka mba hiereny an'i Basa, mpanjakan'ny Isiraely, dia nofenoin'Isimaela, zanak'i Netania, faty.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ilay lavaka nanarian’Ismaela ny fatin’ny olona rehetra izay novonoiny ho eo anilan’i Gedalia, dia ilay nataon’i Asa mpanjaka mba hiereny an’i Basa, mpanjakan’ny Israely, dia nofenoin’Ismaela, zanak’i Netania, faty.

Jereo ny toko



Jeremia 41:9
11 Rohy Ifampitohizana  

Indro fa miery izy ankehitriny any an-dava-driaka na any amin’ny fitoerana hafa any. Sady raha izao voalohany izao no misy lavony, dia ho ren’ny olona izany ka hataony hoe: Naharesy ny olona manaraka an’i Absalôma.


fa ianao kosa nariana lavitry ny fasanao, toy ny sampana atao tsinontsinona, tototry ny maty novonoina tamin’ny sabatra, sy voavarina any amin’ny sola-baton’ny hantsana manjombona, tahaka ny faty voahosihosy.


nefa tsy mendrika ho nitoerany akory izao tontolo izao, nirenireny tany an’efitra izy, sy tany an-tendrombohitra, ary tany an-johy mbamin’ny tany an-dava-tany.


Nahery tamin’i Israely ny tanan’i Madiàna. Noho ny amin’i Madiàna no nanaovan’ny zanak’i Israely ireo zohy any an-tendrombohitra, mbamin’ireo lava-bato sy ny havoana mimanda.


Nony hitan’ny lehilahy amin’i Israely fa poritra mafy izy, satria voatery mafy indrindra, dia lasa izy niery tany an-johy, tany anaty ala kely, tany amin’ny haram-bato, tany an-davaka ary tany an-davaka famorian-drano.


Dia niseho tamin’ny antoko-miaramilan’ny Filistinina izy roa lahy, ka hoy ny Filistinina: «Indreto ny Hebrio mivoaka avy any an-davaka niereny».


Ireo lehilahy rehetra amin’i Israely, izay niery tany amin’ny tendrombohitra Efraima, nony nandre ny nandosiran’ny Filistinina, dia rafitra nanenjika sy niady tamin’ireny koa.


Dia naka telo arivo lahy voafantina tamin’i Israely rehetra i Saola ka nandeha nitady an’i Davida sy ny olony, hatrany amin’ny vatolampin’ny osy dia.