Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 41:10 - Baiboly Katolika

Dia nentin’i Ismaely ho babo ny olona sisa tao Masfà, ireo zanaka vavin’ny mpanjaka mbamin’ny vahoaka rehetra tafajanona tao Masfà, izay nomen’i Nabozardàna lehiben’ny mpiambina an’i Godoliasa zanak’i Ahikama, ho filohany; nentin’i Ismaely zanak’i Nataniasa ho babo ireo, dia lasa nankany amin’ny taranak’i Amôna izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary noentin’Ismaela ho babo ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, na ny vehivavy zanaky ny mpanjaka, na ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, izay napetrak’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, tao amin’i Gedalia, zanak’i Ahikama; eny, Ismaela, zanak’i Netania, no nitondra azy ireny ho babo ka lasa niala nankany amin’ny taranak’i Amona izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Avy eo dia nentin’i Jismahela ho babo ny sisa tamin’ny mponina tao Mitsepà mbamin’ireo zanakavavin’ny mpanjaka, izany hoe ny olona rehetra napetrak’i Nebozaradàna lehiben’ny mpiambina tamin’i Gedalià; ka nitondra ireo babo ireo i Jismahela no lasa nankany amin’ny Hamônita.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Avy eo dia nentin’i Jismahela ho babo ny sisa tamin’ny mponina tao Mitsepà mbamin’ireo zanakavavin’ny mpanjaka, izany hoe ny olona rehetra napetrak’i Nebozaradàna lehiben’ny mpiambina tamin’i Gedalià; ka nitondra ireo babo ireo i Jismahela no lasa nankany amin’ny Hamônita.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nentin’Isimaela ho babo ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, na ny vehivavy zanak’andriana, na ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, izay napetrak’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, tao amin’i Gedalia, zanak’i Ahikama; eny, Isimaela, zanak’i Netania, nitondra azy ireny ho babo, ka dia lasa niala nankany amin’ny taranak’i Amona izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nentin'Isimaela ho babo ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, na ny vehivavy zanak'andriana, na ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, izay napetrak'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, tao amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama; eny, Isimaela, zanak'i Netania, nitondra azy ireny ho babo, ka dia lasa niala nankany amin'ny taranak'i Amona izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary noentin’Ismaela ho babo ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, na ny vehivavy zanaky ny mpanjaka, na ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, izay napetrak’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, tao amin’i Gedalia, zanak’i Ahikama; eny, Ismaela, zanak’i Netania, no nitondra azy ireny ho babo ka lasa niala nankany amin’ny taranak’i Amona izy.

Jereo ny toko



Jeremia 41:10
13 Rohy Ifampitohizana  

Nony fantatr’i Sanabalata Hôrônita, sy i Tobia ilay mpanompo Amônita, izany, dia ratsy mihitsy ny heviny amin’ny hoe, nisy lehilahy tonga hikarakara izay hahasoa ny zanak’i Israely.


Nony nandre izany, i Sanabalata Hôrônita, sy i Tobia ilay mpanompo Amônita, ary i Gôsena Arabo, dia nanaraby sy naneso anay, nanao hoe: «Inona izato ataonareo ao? Hikomy amin’ny mpanjaka angaha ianareo?»


Izao no lazain’i Iaveh: Ity lehilahy ity dia soraty ho tsy miteraka, ho lehilahy tsy mahomby amin’ny androny! Fa amin’ny taranany tsy hisy hahavanona ny mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida, hanjaka indray amin’i Jodà.


Ny vady aman-janakao rehetra hoentina ao amin’ny Kaldeanina, ianao koa tsy ho afa-mandositra azy ireo, fa ho azon’ny mpanjakan’ny Babilôna, ary ianao no nandoro ity tanàna ity.»


Ireo zanaka lahin’i Sedesiasa novonoin’ny mpanjakan’i Babilôna teo imasony, tao Reblà; ny lehibe rehetra tamin’i Jodà, novonoin’ny mpanjakan’i Babilôna koa.


ka nanao taminy hoe: «Fantatrao va, fa i Baalisa mpanjakan’ny taranak’i Amôna, efa naniraka an’i Ismaely, zanak’i Nataniasa, hamono anao?»


Nony nandre ry zareo mpifehy miaramila rehetra tany ambanivohitra mbamin’ireo olom-peheziny, fa hoe: i Godoliasa zanak’i Ahikama no natsangan’ny mpanjakan’i Babilôna ho governora amin’ny tany, sy nametrahany ny lehilahy, ny zaza amam-behivavy ary ny mahantra amin’ny tany, tsy nentin-ko babo any Babilôna,