Ka nalain’i Asà i Jodà rehetra, dia nentin’izy ireo ny vato aman-kazo, nanorenan’i Baasà an’i Ramà, dia nanorenany an’i Gabaà sy i Masfà.
Jeremia 40:6 - Baiboly Katolika Nankany amin’i Godoliasa, tany Masfà, i Jeremia, ka niara-nonina taminy, teo amin’ny vahoaka sisa navela teo amin’ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Jeremia dia nankany amin’i Gedalia, zanak’i Ahikama, tany Mizpa ka niara-monina taminy tao amin’ny vahoaka izay sisa velona teo amin’ny tany. DIEM PROTESTANTA Ary i Jeremià nankany amin’i Gedalià zanakalahin’i Ahikama tao Mitsepà, ka niara-nipetraka taminy teo anivon’ny vahoaka izay sisa velona teo amin’ny tany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary i Jeremià nankany amin’i Gedalià zanakalahin’i Ahikama tao Mitsepà, ka niara-nipetraka taminy teo anivon’ny vahoaka izay sisa velona teo amin’ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jeremia nankany amin’i Gedalia, zanak’i Ahikama, tany Mizpa ka niara-nonina taminy tao amin’ny vahoaka izay sisa velona tamin’ny tany. Malagasy Bible Ary Jeremia nankany amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama, tany Mizpa ka niara-nonina taminy tao amin'ny vahoaka izay sisa velona tamin'ny tany. La Bible en Malgache Ary i Jeremia dia nankany amin’i Gedalia, zanak’i Ahikama, tany Mizpa ka niara-monina taminy tao amin’ny vahoaka izay sisa velona teo amin’ny tany. |
Ka nalain’i Asà i Jodà rehetra, dia nentin’izy ireo ny vato aman-kazo, nanorenan’i Baasà an’i Ramà, dia nanorenany an’i Gabaà sy i Masfà.
naniraka haka an’i Jeremia, tao an-kianjan’ny fiambenana; dia napetrany tamin’i Godoliasa zanak’i Ahikama zanak’i Safàna izy, hoentiny any an-trano, ka dia nitoetra teo amin’ny vahoaka izy.
Nony tamin’ny volana fahafito, tonga tao amin’i Godoliasa zanak’i Ahikama tao Masfà, i Ismaely zanak’i Nataniasa zanak’i Elisamà, taranak’andriana, nomban’ireo andriambaventin’ny mpanjaka sy olona folo lahy koa, dia niara-nihinana tao Masfà izy ireo.
Dia nivoaka ny zanak’i Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bersabea sy ny tany Galaada; ka nivory teo anatrehan’i Iaveh tany Masfà, toy ny olona iray ihany, ny fiangonana.
Tany Masfà nianiana ny lehilahy amin’i Israely nanao hoe: «Tsy hisy hanome ny zanany vavy ho vadin’ny Benjaminita isika».