«Kanefa nikomy izy ireo sy niodina taminao, natsipiny any ivohony ny lalànao, novonoiny ireo mpaminaninao, vavolombelona nanohitra azy mba hamerina azy ho aminao, ka rafitra naniratsira Anao izaitsizy izy.
Jeremia 4:17 - Baiboly Katolika Hoatra ny mpiandry saha izy ireo manodidina an’i Jerosalema, satria niodina tamiko izy, - teny marin’i Iaveh. - Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Manodidina an’i Jerosalema ireo toy ny fanaon’ny mpiandry saha, fa nikomy Tamiko izy, hoy NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Manodidina an’i Jerosalema tahaka ny olona miandry saha izy. Vokatry ny fikomianao tamiko izao, teny hentitry ny TOMPO izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Manodidina an’i Jerosalema tahaka ny olona miandry saha izy. Vokatry ny fikomianao tamiko izao, teny hentitry ny TOMPO izany. Baiboly Protestanta Malagasy Manodidina azy ireo toy ny fanaon’ny mpiandry saha, Fa efa niodina tamiko izy, hoy Jehovah. Malagasy Bible Manodidina azy ireo toy ny fanaon'ny mpiandry saha, fa efa niodina tamiko izy, hoy Jehovah. La Bible en Malgache Manodidina an’i Jerosalema ireo toy ny fanaon’ny mpiandry saha, fa nikomy Tamiko izy, hoy NY TOMPO. |
«Kanefa nikomy izy ireo sy niodina taminao, natsipiny any ivohony ny lalànao, novonoiny ireo mpaminaninao, vavolombelona nanohitra azy mba hamerina azy ho aminao, ka rafitra naniratsira Anao izaitsizy izy.
Dia mbola nandefitra taona maro ihany Ianao; ny fanahinao, ny vavan’ny mpaminaninao no nentinao ho vavolombelona namely azy, fa tsy nihaino izy. Tamin’izay dia natolotrao ho eo an-tanan’ny vahoakan’ny tany izy.
Ary ny zanaka vavin’i Siôna dia tafajanona toy ny trano bongo anaty tanimboaloboka, toy ny tranotomboka, anaty tanim-boatango, toy ny tilikambo fiambenana.
Satria izy dia firenem-pikomiana zanaka miodina, zanaka mandà, tsy mihaino ny lalàn’i Iaveh.
Tamin’ny taona faha-9 nanjakan’i Sedesiasa, tamin’ny volana faha-9, tamin’ny andro fahafolon’ny volana, dia tonga hamely an’i Jerosalema i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, mbamin’ny tafiny rehetra; ka nitoby tamin’ny tandrifiny sy nanao manda fanakekezana manodidina azy;
Tena marina i Iaveh, satria efa nandà ny didiny aho. Endrey! ry firenena rehetra ô, mba mihainoa ianareo, ary mijere ny alaheloko: ny virjiniko sy ny zatovoko lasan-ko babo.
Nampitombo ny fahotany i Jerosalema, ka tonga zava-maloto; mamingavinga azy avokoa izay nanaja azy, fa nahita ny fitanjahany; mandefa feo mitoloko koa izy, sady miamboho.