Ny zanaka lahin’i Sedesiasa novonoina teo anatrehan’izy rainy. Raha efa izany dia nopotsirin’i Nabokodonozora ny mason’i Sedesiasa ary nafatony tamin’ny gadra varahina roa izy, dia nentiny nankany Babilôna.
Jeremia 39:7 - Baiboly Katolika Raha efa izany dia nopotsiriny ny mason’i Sedesiasa, ary nafatony tamin’ny rojo varahina roa izy hoentina any Babilôna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nopotsiriny ny mason’i Zedekia, dia nafatony tamin’ny gadra varahina izy hoentiny any Babilona. DIEM PROTESTANTA Avy eo dia nasainy nopotsirina voamaso i Tsedekià sady norohizany rojovy mba hoentina any Babilôna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Avy eo dia nasainy nopotsirina voamaso i Tsedekià sady norohizany rojovy mba hoentina any Babilôna. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nopotsiriny ny mason’i Zedekia, dia nafatony tamin’ny gadra varahina izy ho entiny any Babylona. Malagasy Bible Ary nopotsiriny ny mason'i Zedekia, dia nafatony tamin'ny gadra varahina izy ho entiny any Babylona. La Bible en Malgache Nopotsiriny ny mason’i Zedekia, dia nafatony tamin’ny gadra varahina izy hoentiny any Babilona. |
Ny zanaka lahin’i Sedesiasa novonoina teo anatrehan’izy rainy. Raha efa izany dia nopotsirin’i Nabokodonozora ny mason’i Sedesiasa ary nafatony tamin’ny gadra varahina roa izy, dia nentiny nankany Babilôna.
Satria izao no lazain’i Iaveh: «Indro atolotro ho amin’ny fangorohoroana, ianao sy ny sakaizanao. Izy ireo ho lavon’ny sabatry ny fahavalony, ary ianao hahita maso an’izany. I Jodà rehetra koa hatolotro ho eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna, ka hoentiny babo any Babilôna izy ireo, ary hovonoiny amin’ny sabatra.
Ary ianao tsy ho afa-mandositra ny tanany, fa ho voasambotra marina tokoa ianao sy ho voatolotra eo an-tanany; ny masonao, hahita ny mason’ny mpanjakan’i Babilôna, izy hiteny mifanatrika aminao, ary ianao handeha ho any Babilôna.
Izao no lazain’i Iaveh: Indro Aho manolotra an’i HôfràFaraôna, mpanjakan’i Ejipta, eo an-tanan’ny fahavalony, sy eo an-tanan’izay mitady ny ainy; toy ny nanolorako an’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà, tamin’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, fahavalony sy nitady ny ainy.»
Raha efa izany nopotsiriny ny mason’i Sedesiasa, ka nafatony tamin’ny rojo varahina roa izy, ary nentin’ny mpanjakan’i Babilôna nankany Babilôna izy, sy notanany an-tranomaizina mandra-pahafatiny.
Hamela-pandrika harato aminy Aho, ka ho voan’ny fandrika izy; hoentiko any Babilôna izy, any amin’ny tanin’ny Kaldeanina; nefa tsy hahita izany izy, ary ho faty any.
Nisambotra azy kosa ny Filistinina sy namotsotra ny masony, dia nampidina azy tany Gazà ary namatotra azy amin’ny gadra varahina roa mikambana. Nampihodina ny vato fitotoam-bary tao an-tranomaizina izy.