Nony tapi-nisotro avokoa ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny masom-bolamena iray, lanjan’antsasa-tsikla, sy ny haba volamena roa, lanjana folo sikla,
Jeremia 32:9 - Baiboly Katolika Ka novidiko tamin’i Hananeela zana-drahalahin-draiko, ilay saha ao Anatôta, ary nolanjaiko ny vola ho azy, sikla volafotsy fito ambin’ny folo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary novidiko tamin’i Hanamela, zana-drahalahin’Ikaky, ny saha izay tao Anatota; nolanjaiko ny vola, dia sekela volafotsy fito amby folo. DIEM PROTESTANTA Dia novidiko tamin’i Hanamèla zana-drahalahin-draiko ny sahany tao Hanatôta ary naloako ny vidiny, dia sekela volafotsy fito ambin’ny folo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia novidiko tamin’i Hanamèla zana-drahalahin-draiko ny sahany tao Hanatôta ary naloako ny vidiny, dia sekela volafotsy fito ambin’ny folo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary novidiko tamin’i Hanamela, zana-drahalahin’ikaky, ny saha izay tao Anatota, ary nolanjaiko ny vola, dia sekely volafotsy fito ambin’ny folo. Malagasy Bible Ary novidiko tamin'i Hanamela, zana-drahalahin'ikaky, ny saha izay tao Anatota, ary nolanjaiko ny vola, dia sekely volafotsy fito ambin'ny folo. La Bible en Malgache Ary novidiko tamin’i Hanamela, zana-drahalahin’Ikaky, ny saha izay tao Anatota; nolanjaiko ny vola, dia sekela volafotsy fito amby folo. |
Nony tapi-nisotro avokoa ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny masom-bolamena iray, lanjan’antsasa-tsikla, sy ny haba volamena roa, lanjana folo sikla,
Ka nony nandalo ireo mpandranto Madianita, dia nesoriny sy nakariny hiala tao an-davaka i Josefa, dia namidiny roapolo farantsa volafotsy tamin’ny Ismaelita, ka nentin’ireo nankany Ejipta.
Nony nandalo ny mpanjaka, dia nitaraina tamin’ny mpanjaka izy nanao hoe: «Nivoaka teo afovoan’ny ady ny mpanomponao ary indro fa nisy lehilahy anankiray nitsoaka, nitondra olona anankiray teo amiko, nataony hoe: Hazòny ralehilahy ity, fa raha lasa io, ny ainao no manefa, na handoa talenta volafotsy iray ianao.
Ny governora teo alohako, nahavaky tratra ny vahoaka ary nandray mofo aman-divay taminy, ivelan’ny volafotsy efapolo sikla, hatramin’ny mpanompony avy no nampahory ny vahoaka; fa izaho kosa dia tsy mba nanao toy izany, noho ny fahatahorako an’Andriamanitra.
Fa raha andevolahy na andevovavy no totoin’ny omby dia vola fotsy telopolo sikla no haloa ho an’ny tompon’ny andevo, ary ny omby hotoraham-bato.»
Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina; sy izay nisasaranareo, amin’izay tsy mahavoky? Koa mihainoa Ahy, ary mihinàna izay tsara; ary aoka ny fanahinareo hiravoravo amin’izay hanina fy.
Ary 20 sikla no lanjan’ny hanin-kohaninao amin’ny indray andro, asio elanelany ny fihinanana azy.