Moa misy zava-mahatalanjona tsy efan’i Iaveh va na inona na inona? Raha avin-taona toy izao dia hiverina aty aminao indray Aho; ary i Sarà dia hahazo zazalahy.»
Jeremia 32:27 - Baiboly Katolika Izaho no Iaveh Andriamanitry ny nofo rehetra; moa amiko va hisy zavatra tsy azo atao? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Indro, Izaho no TOMPO, Andriamanitry ny nofo rehetra. Moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va? DIEM PROTESTANTA –Izaho no TOMPO Andriamanitry ny miaina rehetra, ka moa misy zavatra tsy vitako va? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Izaho no TOMPO Andriamanitry ny miaina rehetra, ka moa misy zavatra tsy vitako va? Baiboly Protestanta Malagasy Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va? Malagasy Bible Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va? La Bible en Malgache Indro, Izaho no TOMPO, Andriamanitry ny nofo rehetra. Moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va? |
Moa misy zava-mahatalanjona tsy efan’i Iaveh va na inona na inona? Raha avin-taona toy izao dia hiverina aty aminao indray Aho; ary i Sarà dia hahazo zazalahy.»
Ianao no mendrika hoderaina, ry Andriamanitra, any Siôna, ho an’ny voninahitrao no anefan’ny olona voady.
Aza tafahoatra amin’ny hatezeranao Ianao, ry Iaveh, ary aza dia tsarovanao mandrakizay ny helokay. Jereo ange fa vahoakanao avokoa izahay rehetra!
«Eny iky, ry Iaveh Tompo ô, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany, tamin’ny hery lehibe sy ny sandrinao nahinjitra, tsy misy zavatra tsy hainao atao.
Antsoy Aho dia hamaly anao, haneho zava-dehibe aminao, zava-tsy takatry ny saina izay tsy fantatrao.
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Amin’izany andro izany, na hiseho ho zava-mahagaga aza izany eo imason’izay sisa amin’ity firenena ity, moa ho zava-mahagaga eo imasoko koa va izany.» - teny marin’i Iavehn’ny tafika? -
Dia hoy ny navalin’i Iaveh an’i Môizy: «Fohy loatra va ny tanan’i Iaveh? Ho hitanao izao na ho tanteraka aminao na tsia izay voalazako.»
Ary niankohoka tamin’ny tany izy ireo ka nanao hoe: «Andriamanitra ô, ry Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka no dia tezitra amin’ny fiangonana rehetra Ianao?»
«Aoka i Iaveh, ilay Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, hanendry lehilahy anankiray hitondra ny fiangonana.
Nijery azy ireo i Jesoa ka nanao hoe: «Tsy hain’olombelona izany, fa vitan’Andriamanitra ny zavatra rehetra.»
fa efa nomenao fahefana amin’ny nofo rehetra Izy, mba hanomezany ny fiainana mandrakizay an’izay rehetra nomenao Azy.