Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 32:12 - Baiboly Katolika

Dia natolotro an’i Baròka, zanak’i Nerià, zanak’i Maasiasa, ny fanekem-pividianana, teo anatrehan’i Hananeela, zana-drahalahin-draiko, sy teo anatrehan’ny vavolombelona nanao sonia ny fanekem-pihavanana sy teo anatrehan’ny Jody rehetra, nipetraka teo an-kianjan’ny fiambenana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ary natolotro an’i Baroka, zanak’i Neria, zanak’i Mahaseia, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin’ny vidin-tany, teo imason’i Hanamela, zana-drahalahin’Ikaky, sy teo anatrehan’ny vavolombelona izay nanao sonia tamin’ny taratasy nisy ny fanekena ny amin’ny vidin-tany, dia teo anatrehan’ny Jiosy rehetra izay nipetraka teo amin’ny kianjan’ny trano fiambenana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ka natolotro an’i Baròka, zanakalahin’i Nerià sady zafikelin’i Mahaseià, teo imason’i Hanamèla zana-drahalahin-draiko sy teo imason’ireo vavolombelona izay niara-nanao sonia ny taratasy fivarotana ary teo imason’ireo Jiosy rehetra nipetraka teo an-kianja fiambenana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ka natolotro an’i Baròka, zanakalahin’i Nerià sady zafikelin’i Mahaseià, teo imason’i Hanamèla zana-drahalahin-draiko sy teo imason’ireo vavolombelona izay niara-nanao sonia ny taratasy fivarotana ary teo imason’ireo Jiosy rehetra nipetraka teo an-kianja fiambenana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia natolotro an’i Baroka, zanak’i Neria, zanak’i Mahaseia, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin’ny vidin-tany, teo imason’i Hanamela, zana- drahalahin’ikaky, sy teo anatrehan’ny vavolombelona izay nanao sonia tamin’ny taratasy nisy ny fanekena tamin’ny vidin-tany, dia teo anatrehan’ny Jiosy rehetra izay nipetraka teo an-kianjan’ny trano fiambenana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia natolotro an'i Baroka, zanak'i Neria, zanak'i Mahaseia, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, teo imason'i Hanamela, zana-drahalahin'ikaky, sy teo anatrehan'ny vavolombelona izay nanao sonia tamin'ny taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, dia teo anatrehan'ny Jiosy rehetra izay nipetraka teo an-kianjan'ny trano fiambenana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ary natolotro an’i Baroka, zanak’i Neria, zanak’i Mahaseia, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin’ny vidin-tany, teo imason’i Hanamela, zana-drahalahin’Ikaky, sy teo anatrehan’ny vavolombelona izay nanao sonia tamin’ny taratasy nisy ny fanekena ny amin’ny vidin-tany, dia teo anatrehan’ny Jiosy* rehetra izay nipetraka teo amin’ny kianjan’ny trano fiambenana.

Jereo ny toko



Jeremia 32:12
10 Rohy Ifampitohizana  

Ary izao no didy nomeko an’i Baròka, teo anatrehan’ireo:


Nony voatolotro an’i Baròka zanak’i Nerià ny fanekem-pividianana, dia izao no vavaka nataoko tamin’i Iaveh:


Raha efa izany dia nodidian’ny mpanjaka i Jeremiely zanak’andriana, sy i Zaraiasa zanak’i Ezriely, ary i Selemiasa zanak’Abdeely, hisambotra an’i Baròka mpanoratra, sy i Jeremia mpaminany, nefa nafenin’i Iaveh izy ireo.


Dia naka horonan-taratasy hafa indray i Jeremia, natolony an’i Baròka mpanoratra, zanak’i Nerià, ka nosoratan’i Baròka araka ny nanononan’i Jeremia azy ny teny rehetra tamin’ilay boky nodoran’i Jôakima mpanjakan’i Jodà tamin’ny afo; ary teny hafa maro tahaka ireny no niampy.


Didy nomen’i Jeremia mpaminany, an’i Saraiasa zanak’i Neriasa zanak’i Maasiasa fony izy nandeha nankany Babilôna, niaraka tamin’i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà, tamin’ny taona fahefatra nanjakany. Fa i Saraiasa no lehiben’ny tao an-dain’ny mpanjaka.


satria tsy ny soa eo imason’Andriamanitra ihany no kendrenay, fa ny soa eo imason’ny olombelona koa.