Halaiko ho vahoakako ianareo, ka ho Andriamanitrareo Aho, izay manafaka anareo amin’ny fanompoan’ny Ejiptianina.
Jeremia 30:22 - Baiboly Katolika Ary ianareo dia ho oloko, ary izaho ho Andriamanitrareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ho oloko ianareo ary Izaho ho Andriamanitrareo. DIEM PROTESTANTA Amin’izay dia ho vahoakako indray ianareo ary Izaho ho Andriamanitrareo.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Amin’izay dia ho vahoakako indray ianareo ary Izaho ho Andriamanitrareo.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary hianareo ho oloko, Ary Izaho ho Andriamanitrareo. Malagasy Bible Ary ianareo ho oloko, ary Izaho ho Andriamanitrareo. La Bible en Malgache Ho oloko ianareo ary Izaho ho Andriamanitrareo. |
Halaiko ho vahoakako ianareo, ka ho Andriamanitrareo Aho, izay manafaka anareo amin’ny fanompoan’ny Ejiptianina.
izay nandidiako ny razanareo, tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta, avy any amin’ny memim-by, nanaovako taminy hoe: Henoy ny feoko ary ataovy izany zavatra izany, araka izay rehetra andidiako anareo, dia ianareo ho oloko, ary izaho ho Andriamanitrareo;
Homeko fo hahalalany Ahy izy, hahafantarany fa i Iaveh Aho; ary ho Andriamaniny Aho; ho vahoakako izy; satria hiverina amiko amin’ny fony rehetra izy.
Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh, - Izaho ho Andriamanitry ny fianakaviana rehetra amin’i Israely, ary izy ireo ho oloko.
Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’i Israely, rehefa afaka izany andro izany, - teny marin’i Iaveh: - Hataoko ao anatiny ny lalàko, dia sady hosoratako ao am-pony; ka ho Andriamanitr’izy ireo Aho, ary izy ireo ho oloko.
mba hizorany amin’ny fitsipiko sy hitandremany ny didiko, ary hanarahany azy; ka izy dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.
Honina eo amin’ny tany nomeko ny razanareo ianareo, dia ho vahoakako ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo.
Izao no ho tonga amin’izany andro izany: Izaho hamaly, - teny marin’i Iaveh, - Izaho hamaly ny fangatahan’ny lanitra, ary izy hamaly ny fangatahan’ny tany;
Fa io ampahatelony io hampidiriko ao amin’ny afo, hodioviko toy ny fandio volafotsy, haofana toy ny fanofana volamena. Izy hiantso ny Anarako; ary Izaho hamaly azy. Izaho hanao hoe: «Oloko izy!» Ary izy hilaza hoe: «Andriamanitro i Iaveh!»
hoentiko mody izy honina ao afovoan’i Jerosalema, ka izy ho vahoakako ary Izaho ho Andriamaniny, amin’ny rariny sy ny hitsiny.»
Izaho no Andriamanitr’i Abrahama, sy Andriamanitr’i Isaaka, ary Andriamanitr’i Jakôba? Nefa tsy mba Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona.»
fa fanekena toy izao kosa no hataoko amin’ny fianakavian’i Israely, rehefa afaka izany andro izany, hoy ny Tompo: Halatsako ao an-tsainy ny lalàko, ary hosoratako ao am-pony; ka Izaho ho Andriamanitr’izy ireo, ary izy kosa ho vahoakako.
Ary inay nisy feo mahery reko avy ao amin’ny seza fiandrianana nanao hoe: «Indro ny tranolain’Andriamanitra tonga eny amin’ny olona, ary Izy hiara-monina amin’izy ireo. Izy ireo moa ho vahoakany, ary Izy Andriamanitra mitoetra eny aminy kosa, ho Andriamanitr’izy ireo.