Manana ny heviny anefa Izy; ka iza no hampiova Azy amin’izay? Izay iriny tanterahiny avokoa.
Jeremia 29:11 - Baiboly Katolika Fa Izaho dia mahalala ny hevitro ny aminareo, - teny marin’i Iaveh, - dia hevitra hampiadanana fa tsy hampahoriana, mba hanome anareo andro any ho any sy fanantenana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy NY TOMPO, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny ho avy. DIEM PROTESTANTA Izaho manko no mahalala ny hevitra omaniko ho anareo, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Hoavy azo antoka no homeko anareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izaho manko no mahalala ny hevitra omaniko ho anareo, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Hoavy azo antoka no homeko anareo. Baiboly Protestanta Malagasy Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany. Malagasy Bible Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany. La Bible en Malgache Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy NY TOMPO, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny ho avy. |
Manana ny heviny anefa Izy; ka iza no hampiova Azy amin’izay? Izay iriny tanterahiny avokoa.
Fa ny hevitr’i Iaveh kosa maharitra mandrakizay ny fisainan’ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby rehetra.
Sambatra ny olona mametraka ny fitokiany amin’i Iaveh, ka tsy mivadika hankamin’ny mpiavonavona sy amin’izay maniasia entin’ny lainga.
Te hihaino izay holazain’i Iaveh Andriamanitra aho, - fa manana teny fiadanana ho an’ny vahoakany sy ny mpino Azy Izy, raha tahiny tsy miverina amin’ny fahadalany indray izy ireo. -
tsy manan-katezerana intsony Aho. Aiza no hahitako tsilo sy hery hiadiako? Dia hiroatra hamely an’ireo Aho, ka hodorako izy.
Indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - hananganako ho an’i Davida solofo marina; hitondra ny hitsiny sy ny rariny amin’ny tany.
Amin’ny androny, i Jodà hovonjena; i Israely handry feizay; ary izao no anarana hanononana azy: Iaveh-fahamarinantsika.
«Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely: Tahaka ny fijery an’ireto aviavy tsara ireto no ho fijeriko amim-pitiavana ny voababo amin’i Jodà, izay nalefako avy amin’ity fitoerana ity, ho any amin’ny tanin’ny Kaldeanina.
Koa aza matahotra ianao, ry Jakôba, mpanompoko, - teny marin’i Iaveh, - ary aza manam-badi-po, ry Israely. Fa indro Aho hanaisotra anao any an-tany lavitra, sy ny taranakao, avy any amin’ny tany nahababo azy. Dia ho tafaverina i Jakôba, ka hiadana, handry feizay, tsy hisy mpanabataba azy.
fa ho mpanaiky an’i Iaveh Andriamaniny izy ireo, sy an’i Davida mpanjakany, izay hatsangako ho azy.
Indro asiako bandy ny feriny, sy tsaboiko izy, mba ho sitrana; ary hanehoako ny fiadanana sy fandriam-pahalemana be dia be izy ireo.
Koa lazao amin’ireto hoe: Izao no lazain’i Iaveh Tompo: Eny, nalefako lavitra any amin’ny firenena ireny, naeliko any amin’ny tany hafa izy; nefa Izaho no ho fitoerana masina ho azy ireo, any amin’ny tany nalehany, mandritra ny fotoana vitsivitsy.
Rehefa afaka izany vao hibebaka ny zanak’i Israely, ka hitady an’i Iaveh Andriamaniny sy i Davida mpanjakany, indray; hiverina amim-pangovitana amin’i Iaveh sy amin’ny hatsaram-pony izy ireo, amin’ny faran’ny andro.»
Tsy fantatr’izy ireo anefa ny hevitr’i Iaveh; ka tsy azony an-tsaina ny hevitra voakasany, dia ny nanambàrany azy ireo toy ny amboara eo am-pamoloana.
Fa ny teniko sy ny didiko kosa, izay nasaiko nentin’ny mpaminany mpanompoko, moa tsy nahatratra ny razanareo va, ka dia nibebaka izy ireo ary nanao hoe: Izay efa notapahin’i Iavehn’ny tafika hatao amintsika araka ny lalantsika sy araka ny asantsika dia nataony tamintsika tokoa.»
Fa io ampahatelony io hampidiriko ao amin’ny afo, hodioviko toy ny fandio volafotsy, haofana toy ny fanofana volamena. Izy hiantso ny Anarako; ary Izaho hamaly azy. Izaho hanao hoe: «Oloko izy!» Ary izy hilaza hoe: «Andriamanitro i Iaveh!»