Izaho no mahatò ny tenin’ny mpanompoko, sy mahatanteraka ny hevitra lazain’ny irako; ny amin’i Jerosalema dia ilazako hoe: «Honenana anie izy!» ny amin’ny tanànan’i Jodà hoe: «Hatsangana indray anie izy ireo!» Hamboariko indray izay rava aminy.
Jeremia 28:9 - Baiboly Katolika Ary izay mpaminany naminany fiadanana kosa, dia ny fahatanterahan’ny tenin’izany mpaminany izany no hahafantarana azy ho mpaminany tena nirahin’i Iaveh marina tokoa.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny amin’ny mpaminany izay maminany fiadanana, raha tanteraka ny teniny, dia ho fantatra ho mpaminany nirahin’NY TOMPO tokoa izy. DIEM PROTESTANTA Fa raha misy mpaminany iray milaza fahasambarana, ny ahalalana fa nirahin’ny TOMPO tokoa izy dia rehefa tanteraka izay nolazainy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa raha misy mpaminany iray milaza fahasambarana, ny ahalalana fa nirahin’ny TOMPO tokoa izy dia rehefa tanteraka izay nolazainy. Baiboly Protestanta Malagasy Ny amin’ny mpaminany izay maminany fiadanana raha tanteraka ny teniny, dia ho fantatra ho mpaminany nirahin’i Jehovah tokoa izy. Malagasy Bible Ny amin'ny mpaminany izay maminany fiadanana raha tanteraka ny teniny, dia ho fantatra ho mpaminany nirahin'i Jehovah tokoa izy. La Bible en Malgache Ny amin’ny mpaminany izay maminany fiadanana, raha tanteraka ny teniny, dia ho fantatra ho mpaminany nirahin’NY TOMPO tokoa izy. |
Izaho no mahatò ny tenin’ny mpanompoko, sy mahatanteraka ny hevitra lazain’ny irako; ny amin’i Jerosalema dia ilazako hoe: «Honenana anie izy!» ny amin’ny tanànan’i Jodà hoe: «Hatsangana indray anie izy ireo!» Hamboariko indray izay rava aminy.
Ka hoy aho namaly: «Indrisy, ry Iaveh Tompo ô, indreto ny mpaminany milaza amin’izy ireo hoe: Tsy hahita sabatra ianareo, ny mosary tsy hisy, fa homeko fiadanana azo antoka tsara amin’ity fiainana ity!»
Ary hoy aho: «Indrisy, Iaveh Tompo ô, nofitahinao izany ity firenena ity, sy i Jerosalema, fony ianao nanao hoe: ‹Hahazo fiadanana ianareo›; kanjo sabatra ity, no hamono mahafaty!»
Ataotaony foana ny fitsaboana ny ferin’ny zanaka vavin’ny vahoakako, lazainy hoe: «Fiadanana! Fiadanana!» nefa tsy misy fiadanana tsinona.
Ataotaony foana ny fitsaboana ny ferin’ny zanaka vavin’ny vahoakako, lazainy hoe: Fiadanana! Fiadanana! Nefa tsy misy fiadanana tsinona.
Rehefa ho tonga izany zavatra izany, - sady indro efa tonga tokoa izany - dia ho fantatr’izy ireo, fa efa nisy mpaminany teo aminy.
Ary raha ianao hanao anakam-po hoe: Ahoana no hahalalantsika izay teny tsy nolazain’i Iaveh?
Rehefa miteny amin’ny Anaran’i Iaveh ny mpaminany, nefa tsy tonga, ary tsy tanteraka ny zavatra nolazainy, dia izany no teny tsy nolazain’i Iaveh: fiavonavonana no nilazan’ny mpaminany izany; aza matahotra azy ianao.