Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 27:12 - Baiboly Katolika

Ary i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà koa, efa nilazako izany teny rehetra izany, nataoko hoe: Ampidiro ho ambany jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna ny vozonareo, ka tompoy izy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, koa dia efa nilazako araka izany teny rehetra izany hoe: Ampidiro eo amin’ny ziogan’ny mpanjakan’i Babilona ny vozonareo ka manompoa azy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Araka izany hafatra izany koa no nilazan’i Jeremià tamin’i Tsedekià mpanjakan’i Joda hoe: «Maneke hitondra ny zioga izay ampitondrain’ny mpanjakan’i Babilôna ianao sy ny vahoakanao, ka manompoa azy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Araka izany hafatra izany koa no nilazan’i Jeremià tamin’i Tsedekià mpanjakan’i Joda hoe: «Maneke hitondra ny zioga izay ampitondrain’ny mpanjakan’i Babilôna ianao sy ny vahoakanao, ka manompoa azy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Zedekia, mpanjakan’ny Joda, koa dia efa nilazako araka izany teny rehetra izany hoe: Ampidiro eo amin’ny ziogan’ny mpanjakan’i Babylona ny vozonareo, ka manompoa azy sy ny vahoakany, dia ho velona hianareo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Zedekia, mpanjakan'ny Joda. koa dia efa nilazako araka izany teny rehetra izany hoe: Ampidiro eo amin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona ny vozonareo, ka manompoa azy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, koa dia efa nilazako araka izany teny rehetra izany hoe: Ampidiro eo amin’ny ziogan’ny mpanjakan’i Babilona ny vozonareo ka manompoa azy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.

Jereo ny toko



Jeremia 27:12
11 Rohy Ifampitohizana  

Fa izay mihaino ahy kosa handry feizay; ho velona amim-piadanana izy fa tsy hatahotra ny loza.»


Havelanao ho faty foana sady vokatry ny hadisoanao izany, ny lovako nomeko anao; hampanompoiko ny fahavalonao any amin’ny tany tsy fantatrao ianao, satria narehitrareo ny afon’ny fahatezerako, ka mirehitra ho amin’ny mandrakizay.


Izay mbola hitoetra amin’ity tanàna ity dia ho fatin’ny sabatra na ny mosary na ny pesta; izay hivoaka hanatona ireo Kaldeanina na manao fahirano anareo kosa dia ho velona ary hanana ny ainy ho babony.


Izay firenena ama-mpanjaka tsy mety manaiky azy, dia i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, sy tsy hanao ny vozony ho eo ambanin’ny jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna, io firenena io dia hovangiako amin’ny sabatra, amin’ny mosary, amin’ny pesta, - teny marin’i Iaveh, - mandra-pandringako azy amin’ny tanany.


Tamin’izany taona izany ihany, dia tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Sedesisa, mpanjakan’i Jodà, tamin’ny taona fahefatra, volana fahadimy: niteny tamiko tao an-tranon’i Iaveh, teo anatrehan’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra i Hananiasa mpaminany, zanak’i Azôra, avy any Gabaôna, nanao hoe:


«Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Efa notapahiko ny jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna.


Ka hoy i Jeremia tamin’i Sedesiasa: «Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Raha mivoaka hanaiky ny lehiben’ny mpanjakan’i Babilôna ianao, dia ho velona aina ianao sy ny mpianakavinao.


Aza matahotra ny mpanjakan’i Babilôna, izay atahoranareo; aza matahotra azy - teny marin’i Iaveh, - fa momba anareo Aho, hamonjy sy hanafaka anareo amin’ny tanany.