Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 27:11 - Baiboly Katolika

Fa izay firenena hampiditra ny vozony ho ambany jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna sy hanompo azy, dia havelako handry feizay eo amin’ny taniny, - teny marin’i Iaveh, - ka hiasa azy, sy honina eo aminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa izay firenena mampiditra ny vozony eo amin’ny ziogan’ny mpanjakan’i Babilona kosa ka manompo azy dia havelako hitoetra amin’ny taniny ihany, hoy NY TOMPO, ka hiasa izany izy sady honina ao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Fa ny firenena, izay manaiky hitondra ny zioga, ampitondrain’ny mpanjakan’i Babilôna azy kosa ka manompo azy, dia havelako ho eo amin’ny taniny, ary ho afaka hamboly azy sy honina eo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Fa ny firenena, izay manaiky hitondra ny zioga, ampitondrain’ny mpanjakan’i Babilôna azy kosa ka manompo azy, dia havelako ho eo amin’ny taniny, ary ho afaka hamboly azy sy honina eo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa izay firenena mampiditra ny vozony eo amin’ny ziogan’ny mpanjakan’i Babylona kosa ka manompo azy dia havelako hitoetra amin’ny taniny ihany, hoy Jehovah, ka hiasa azy sady honina ao izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa izay firenena mampiditra ny vozony eo amin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona kosa ka manompo azy dia havelako hitoetra amin'ny taniny ihany, hoy Jehovah, ka hiasa azy sady honina ao izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa izay firenena mampiditra ny vozony eo amin’ny ziogan’ny mpanjakan’i Babilona kosa ka manompo azy dia havelako hitoetra amin’ny taniny ihany, hoy NY TOMPO, ka hiasa izany izy sady honina ao.

Jereo ny toko



Jeremia 27:11
8 Rohy Ifampitohizana  

Izay mbola hitoetra amin’ity tanàna ity dia ho fatin’ny sabatra na ny mosary na ny pesta; izay hivoaka hanatona ireo Kaldeanina na manao fahirano anareo kosa dia ho velona ary hanana ny ainy ho babony.


Ary i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà koa, efa nilazako izany teny rehetra izany, nataoko hoe: Ampidiro ho ambany jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna ny vozonareo, ka tompoy izy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.


Izao no nolazain’i Iaveh tamiko: Manaova fatorana sy jioga ianao, ka ataovy eo ambony vozonao.


Izay firenena ama-mpanjaka tsy mety manaiky azy, dia i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, sy tsy hanao ny vozony ho eo ambanin’ny jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna, io firenena io dia hovangiako amin’ny sabatra, amin’ny mosary, amin’ny pesta, - teny marin’i Iaveh, - mandra-pandringako azy amin’ny tanany.


«Izao no lazain’i Iaveh: Izay hitoetra amin’ity tanàna ity, ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta; fa izay hivoaka hanatona ny Kaldeanina kosa, ho velona aina sy hahazo ny ainy ho babony, ka ho velona.


Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Rehefa manangona ny taranak’i Israely, avy any amin’ny firenena nampielezako azy Aho, dia hanamasina ny Tenako eo amin’izy ireo, eo imason’ny firenena; ka honina eo amin’ny taniny, izay nomeko an’i Jakôba, mpanompoko, izy ireo.