Te hihaino izay holazain’i Iaveh Andriamanitra aho, - fa manana teny fiadanana ho an’ny vahoakany sy ny mpino Azy Izy, raha tahiny tsy miverina amin’ny fahadalany indray izy ireo. -
Jeremia 23:35 - Baiboly Katolika Izao no ifampilazanareo aminareo isany, sy amin’ny havanareo avy: «Ahoana no navalin’i Iaveh?» ary: «Ahoana, hoy i Iaveh?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Samia manontany amin’ny namany sy ny rahalahiny avy ianareo hoe: Ahoana no navalin’NY TOMPO? Ary ahoana no nolazain’NY TOMPO? DIEM PROTESTANTA Izay tokony hifanontanianareo dia ny hoe: «Inona no navalin’ny TOMPO?» na «Inona no voalazan’ny TOMPO?» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izay tokony hifanontanianareo dia ny hoe: «Inona no navalin’ny TOMPO?» na «Inona no voalazan’ny TOMPO?» Baiboly Protestanta Malagasy Samia manontany amin’ny namany sy ny rahalahiny avy hianareo hoe: Ahoana no navalin’i Jehovah? Ary ahoana no nolazain’i Jehovah? Malagasy Bible Samia manontany amin'ny namany sy ny rahalahiny avy ianareo hoe: Ahoana no navalin'i Jehovah? Ary ahoana no nolazain'i Jehovah? La Bible en Malgache Samia manontany amin’ny namany sy ny rahalahiny avy ianareo hoe: Ahoana no navalin’NY TOMPO? Ary ahoana no nolazain’NY TOMPO? |
Te hihaino izay holazain’i Iaveh Andriamanitra aho, - fa manana teny fiadanana ho an’ny vahoakany sy ny mpino Azy Izy, raha tahiny tsy miverina amin’ny fahadalany indray izy ireo. -
Tsy hisy olona hampianatra ny namany intsony, na olona hampianatra ny rahalahiny, hanao hoe: «Mahalalà an’i Iaveh!» Fa hahalala Ahy avokoa izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, - teny marin’i Iaveh. Satria havelako ny haratsian’izy ireo ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
Antsoy Aho dia hamaly anao, haneho zava-dehibe aminao, zava-tsy takatry ny saina izay tsy fantatrao.
Ary hoy i Jeremia mpaminany, namaly azy ireo: «Dia reko izany; ka indro aho, hivavaka amin’i Iaveh Andriamanitrareo araka ny teninareo; ary hambarako aminareo avokoa, fa tsy misy hanafenako izay havalin’i Iaveh anareo.»
Dia tsy hisy hampianatra ny namany intsony izy, na hanao amin’ny namany hoe: Mahalalà an’Andriamanitra. Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.