Hoy aho: Tsy hilaza ny aminy intsony aho, tsy hiteny amin’ny Anarany intsony aho!... dia nisy toy ny afo nirehitra ato am-poko, voahidy ao anatin’ny taolako; nanao izay hihazonana azy aho nefa tsy nahatana azy.
Jeremia 23:29 - Baiboly Katolika Moa ny teniko va, tsy tahaka ny afo, - teny marin’i Iaveh, - sy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsy tahaka ny afo va ny teniko? Hoy NY TOMPO, ary tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy va? DIEM PROTESTANTA ny teniko dia toy ny afo mandoro, ary toy ny kanonta manorotoro vatolampy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ny teniko dia toy ny afo mandoro, ary toy ny kanonta manorotoro vatolampy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy Tsy tahaka ny afo va ny teniko? hoy Jehovah, Ary tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy va? Malagasy Bible Tsy tahaka ny afo va ny teniko? hoy Jehovah, ary tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy va? La Bible en Malgache Tsy tahaka ny afo va ny teniko? Hoy NY TOMPO, ary tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy va? |
Hoy aho: Tsy hilaza ny aminy intsony aho, tsy hiteny amin’ny Anarany intsony aho!... dia nisy toy ny afo nirehitra ato am-poko, voahidy ao anatin’ny taolako; nanao izay hihazonana azy aho nefa tsy nahatana azy.
Noho izany, izao koa no lazain’i Iaveh, Andriamanitry ny tafika: «Noho izany vava ataonao izany, indro ny teniko hataoko toy ny afo no eo am-bavanao; ary ity vahoaka ity ho kitay hazo; ka holevonin’izany afo izany.
Noho izany nataoko potika, tamin’ny tenin’ny mpaminany, novonoiko tamin’ny tenin’ny vavako izy ireo; toy ny mazava miposaka no ho fitsarana anao.
Dia nifampilaza izy hoe: «Akory izany firehidrehitry ny fontsika tao anatintsika fony Izy niresaka tamintsika teny an-dalana, sy nivaofy ny Soratra Masina tamintsika!»
Hanao ahoana ianareo, raha mahita ny Zanak’olona miakatra any amin’izay nitoerany taloha.
sady nisy lela maro mitarehin’afo niseho taminy sy nizarazara nipetraka teny amboniny tsirairay avy,
Voatsindron’izany teny izany ny fon’ny olona, ka hoy izy tamin’i Piera sy ireo Apôstôly namany: «Inona àry, ry zareo, no hataonay?»
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, maninteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
Ka raha misy te hanisy ratsy azy ireo, dia hisy afo mivoaka avy any am-bavany handevona ny fahavalony, ary hovonoina toy izany avokoa izay mitady hamely azy.