Torotoron’ny latsa ny foko, ka marary aho, miandry horaka, fa tsy nisy; ary mpanony, fa tsy nahita iray akory.
Jeremia 23:15 - Baiboly Katolika Noho izany, izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, ny amin’ny mpaminany: Dia efa hampihinana zava-mangidy azy ireo Aho, sy hampisotro rano voaisy poizina azy! Satria avy amin’ny mpaminanin’i Jerosalema no nivoahan’ny faharatsiana ho any amin’ny tany rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ny amin’ireo mpaminany ireo: Indro, hofahanako zava-mahafaty izy ary hampisotroiko rano misy poizina, satria avy tamin’ny mpaminanin’i Jerosalema no nivoahan’ny faharatsiana ho any amin’ny tany rehetra. DIEM PROTESTANTA Noho izany, ny TOMPOn’izao rehetra izao dia milaza ny amin’ireo mpaminany hoe: «Hofahanako zava-mangidy izy ary hampisotroiko rano voapoizina, satria ny mpaminanin’i Jerosalema no ipoiran’ny faharatsiana rehetra izay mifindra amin’ny tany manontolo.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Noho izany, ny TOMPOn’izao rehetra izao dia milaza ny amin’ireo mpaminany hoe: «Hofahanako zava-mangidy izy ary hampisotroiko rano voapoizina, satria ny mpaminanin’i Jerosalema no ipoiran’ny faharatsiana rehetra izay mifindra amin’ny tany manontolo.» Baiboly Protestanta Malagasy Koa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro, ny amin’ireo mpaminany ireo: Indro, hofahanako zava-mahafaty izy Sy hampisotroiko rano mangidy, Satria avy tamin’ny mpaminanin’i Jerosalema no nivoahan’ny faharatsiana ho any amin’ny tany rehetra. Malagasy Bible Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny amin'ireo mpaminany ireo: Indro, hofahanako zava-mahafaty izy sy hampisotroiko rano mangidy, satria avy tamin'ny mpaminanin'i Jerosalema no nivoahan'ny faharatsiana ho any amin'ny tany rehetra. La Bible en Malgache Koa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ny amin’ireo mpaminany ireo: Indro, hofahanako zava-mahafaty izy ary hampisotroiko rano misy poizina, satria avy tamin’ny mpaminanin’i Jerosalema no nivoahan’ny faharatsiana ho any amin’ny tany rehetra. |
Torotoron’ny latsa ny foko, ka marary aho, miandry horaka, fa tsy nisy; ary mpanony, fa tsy nahita iray akory.
Koa izao no lazain’i Iaveh: «Ny amin’ireo mpaminany, maminany amin’ny Anarako ireo, izay tsy nirahiko, ka milaza hoe: Tsy hisy sabatra na mosary amin’ity tany ity! dia sabatra ama-mosary indrindra no handringana ireo mpaminany ireo!
Nahoana isika no mitomoe-poana? Mivoria ianareo, andeha isika ho ao an-tanàna mimanda, dia aoka ho faty ao; satria i Iaveh Andriamanitsika mandevona antsika, sy mampisotro antsika rano misy poizina, noho ny nanotantsika tamin’i Iaveh!...
Noho izany, izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: «Indro ity firenena ity hofahanako zava-mangidy, hampisotroiko rano misy poizina.
Haeliko any amin’ny firenen-tsamihafa, izay tsy fantatr’izy ireo na ny razany akory, ary halefako hamely azy ny sabatra mandra-pandringako azy.»
Ary hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika: - Hofoanako amin’ny tany ny anaran-tsampy, ka tsy hotononina intsony izany; ary hoesoriko amin’ny tany koa ny mpaminany mbamin’ny fanahim-pahalotoana.
dia nomeny divay miharo afero Izy hosotroiny; fa nony nandramany dia tsy nety nisotro Izy.
Aoka tsy hisy amin’izay mandre ny tenin’ity fianianana ity, hihambo anakampony manao hoe: Hiadana ihany aho, na dia mandeha manaraka ny ditran’ny foko aza; ka dia ho voatariky ny efa leony izay mangetaheta.
Imangidy no anaran’io kintana io, ka tonga mangidy ny ampahatelon’ny rano, ary maro ny olona matin’ny rano, noho izy tonga mangidy.