Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 2:14 - Baiboly Katolika

Andevo va i Israely? Ompikely va izy? Ka ahoana àry no itondrana azy toy ny babo?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Moa mpanompo va Israely? Moa mpanompo teraka tao an-trano va izy? Koa nahoana izy no voababo?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Mpanompo ve i Israely ankehitriny? Moa nateraka ho andevo ve izy? Tsia, koa nahoana izy no ho rembin’ny firenen-kafa?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mpanompo ve i Israely ankehitriny? Moa nateraka ho andevo ve izy? Tsia, koa nahoana izy no ho rembin’ny firenen-kafa?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Moa mpanompo va Isiraely? Ompikely va izy? Koa nahoana no voababo izy?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Moa mpanompo va Isiraely? Ompikely va izy? Koa nahoana no voababo izy?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Moa mpanompo va Israely? Moa mpanompo teraka tao an-trano va izy? Koa nahoana izy no voababo?

Jereo ny toko



Jeremia 2:14
7 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Abrama: «Tsy nomenao fara handimby aho, ka dia lehilahy mipetraka amin’ny fianakaviako no ho mpandova ahy.»


Lalàna iray ihany no ho an’ny tompon-tany sy ny vahiny mitoetra eo aminareo.»


Ianao hilaza amin’i Faraôna hoe: Izao no lazain’i Iaveh: I Israely dia zanako, zanako lahy matoa.


Nividy ankizy lahy aman’ankizy vavy aho, ary nanana ny zanany teraka tao an-trano ihany; nanana andian’ondry aman’omby koa aho, mihoatra noho ireo rehetra izay talohako teto Jerosalema.


Izao no lazain’i Iaveh: Aiza izay taratasy fisaorana an-dreninao, nisaorako azy? Iza no manan-trosa amiko, nivarotako anareo? Tsia, noho ny tsy fahamarinanareo ihany, no nivarotana anareo; noho ny fahotanareo ihany, no nisaorana an-dreninareo.


Havelanao ho faty foana sady vokatry ny hadisoanao izany, ny lovako nomeko anao; hampanompoiko ny fahavalonao any amin’ny tany tsy fantatrao ianao, satria narehitrareo ny afon’ny fahatezerako, ka mirehitra ho amin’ny mandrakizay.


Ary raha tahiny ianareo manao hoe: Nahoana i Iaveh Andriamanitsika, no dia manao toy izao aminay? Izao no lazainao aminy: Toy ny nahafoizanareo ahy, hanompoanareo andriamani-kafa eo amin’ny taninareo, no hanompoanareo olon-kafa, eo amin’ny tany tsy anareo.»