Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 18:9 - Baiboly Katolika

Matetika Aho miteny amin’ny firenena iray, na amin’ny fanjakana iray, hoe: haorina sy hambolena.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary mbetika kosa Aho dia milaza ny amin’ny firenena sy fanjakana iray fa haoriko sy hamboleko;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary indraindray dia milaza ny hanorina sy hamboly firenena iray na fanjakana iray Aho.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary indraindray dia milaza ny hanorina sy hamboly firenena iray na fanjakana iray Aho.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary vetivety kosa Aho dia milaza firenena sy fanjakana Haoriko sy hamboleko;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary vetivety kosa Aho dia milaza firenena sy fanjakana haoriko sy hamboleko;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary mbetika kosa Aho dia milaza ny amin’ny firenena sy fanjakana iray fa haoriko sy hamboleko;

Jereo ny toko



Jeremia 18:9
9 Rohy Ifampitohizana  

fotoana hahaterahana, ary fotoana hahafatesana; fotoana hambolena, ary fotoana hanongotana izay nambolena.


ary indro aho anio manendry anao, ho eo amin’ny firenena amam-panjakana, hanongotra sy hanjera, hamery sy handrava, hamboly sy hanorina.»


I Iavehn’ny tafika izay namboly anao, no nandidy ny loza hanjò anao. Noho ny ratsy nataon’ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà, izay nataony hihatsy ny hatezerako, tamin’ny fanaterana emboka manitra ho an’i Baala.»


Izao no lazain’i Iaveh: Indro hatsangako indray ny lain’i Jakôba, ary hamindrako fo ny fonenany; ny tanàna haorina indray eo amin’ny havoany; ary ny lapany hatsangana indray eo amin’ny fitoerany.


no hiambenako azy kosa, haorina sy hambolena, - teny marin’i Iaveh. -


Indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - hanorenana indray ity tanàna ity, ho an’i Iaveh, hatramin’ny tilikambon’i Hananeela ka hatramin’ny vavahadin’ny Zorony.


Izaho hanorina anao indray, dia ho voaorina indray ianao, ry virjinin’i Israely; hiramarama amin’ny ampongatapakao indray, ary hamindra amin’ny dihy fifaliana.


Hataoko fifaliana ho Ahy ny manao soa aminy, ka hamboleko marina tokoa amin’ity tany ity izy ireo, amin’ny foko rehetra sy amin’ny fanahiko rehetra.