Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 18:4 - Baiboly Katolika

Ary tsy vanona kosa ny vilany nataony, araka izay mety hahazo ny tanimanga eny an-tanan’ny mpanefy, ka nanao vilany hafa, araka izay tiany hatao indray, ny mpanefy tanimanga.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary raha simba ny vilany amboariny, araka izay miseho matetika amin’ny tanimanga eny an-tanan’ny mpanefy, dia ataony vilany hafa indray, araka izay tian’izy mpanefy tanimanga hanaovana azy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary raha simba ny vilany ataony fa mety hitranga amin’ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy ihany izany, dia anaovany vilany hafa indray iny araka izay tiany hanaovana azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary raha simba ny vilany ataony fa mety hitranga amin’ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy ihany izany, dia anaovany vilany hafa indray iny araka izay tiany hanaovana azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary raha simba ny vilany ataony–araka izay mazàna miseho amin’ny tanimanga eny an-tànan’ny mpanefy–dia ataony vilany hafa indray, araka izay tian’izy mpanefy tanimanga hanaovana azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary raha simba ny vilany ataony araka izay mazàna miseho amin'ny tanimanga eny an-tànan'ny mpanefy dia ataony vilany hafa indray, araka izay tian'ny mpanefy tanimanga hanaovana azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary raha simba ny vilany amboariny, araka izay miseho matetika amin’ny tanimanga eny an-tanan’ny mpanefy, dia ataony vilany hafa indray, araka izay tian’izy mpanefy tanimanga hanaovana azy.

Jereo ny toko



Jeremia 18:4
5 Rohy Ifampitohizana  

Loza ho an’izay miady hevitra amin’ilay namorona azy, nefa tavim-bilany isan’ny tavim-bilany tany ihany izy. Ny tanimanga va hilaza amin’izay namolavola azy hoe: «Inona ity ataonao?» Ny asanao va hanao hoe: «Tsy manan-tanana izy?»


Dia nidina ho any an-tranon’ny mpanefy tanimanga aho; ka indro izy nanao ny taozavany teo amin’ny ankodina fiasàny.


Dia tonga tamiko ny tenin’i Iaveh toy izao:


«Moa aho tsy mahazo manao aminareo, toraky ny nataon’io mpanefy tanimanga io, ry taranak’i Israely? - teny marin’i Iaveh. - Eny, toy ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy, ianareo eo an-tanako, ry taranak’i Israely.