Dia samy nandeha hihinana sy hisotro ary hampitondra anjara ho an’ny sasany ny vahoaka rehetra, ka nanao fifaliana lehibe. Fa azony tsara ny teny nampahafantarina azy ireo.
Jeremia 15:16 - Baiboly Katolika Vao tonga teo anatrehako ny teninao, dia nohaniko; zary hafaliako amam-piravoravoan’ny foko, satria nantsoina tamiko ny Anaranao, ry Iaveh, Andriamanitry ny tafika ô! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hitako ireo teninao ka nohaniko, ary ny teninao no fifaliako sy firavoravoan’ny foko; fa nantsoina tamin’ny anaranao aho, RY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao ô. DIEM PROTESTANTA Hitako ireo teninao ka nohaniko; ny teninao no fifaliako sy firavoravoan’ny foko, satria efa natokana ho Anao aho, ry TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hitako ireo teninao ka nohaniko; ny teninao no fifaliako sy firavoravoan’ny foko, satria efa natokana ho Anao aho, ry TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao. Baiboly Protestanta Malagasy Hitako ny teninao ka nohaniko, Ary ny teninao no fifaliako sy firavoravoan’ny foko; Fa nantsoina tamin’ny anaranao aho, Jehovah, Andriamanitry ny maro ô. Malagasy Bible Hitako ny teninao ka nohaniko, ary ny teninao no fifaliako sy firavoravoan'ny foko; Fa nantsoina tamin'ny anaranao aho, Jehovah, Andriamanitry ny maro ô. La Bible en Malgache Hitako ireo teninao ka nohaniko, ary ny teninao no fifaliako sy firavoravoan’ny foko; fa nantsoina tamin’ny anaranao aho, RY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao ô. |
Dia samy nandeha hihinana sy hisotro ary hampitondra anjara ho an’ny sasany ny vahoaka rehetra, ka nanao fifaliana lehibe. Fa azony tsara ny teny nampahafantarina azy ireo.
Tsy nivily niala teo amin’ny didin’ny vavany aho, ary ny sitrapoko nofolahiko nampanekeko ny didin’ny molony.
Ny lalàna naloaky ny vavanao no tsara ho ahy; mihoatra noho ny volamena sy volafotsy miavosa.
Masina ny fahatahorana an’i Iaveh, ka maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik’i Iaveh, ka mahitsy avokoa.
Nahoana Ianao no ho tahaka ny olona very hevitra, tahaka ny lehilahy mahery tsy afa-manafaka? Kanefa eto afovoanay no itoeranao, ry Iaveh; ny Anaranao no antsoina hiaro anay; aza dia ilaozanao izahay! -
Ary ianao, ry zanak’olona, henoy izao lazaiko aminao izao: Aza miodina tahaka izany taranaka miodina izany. Sokafy ny vavanao, ka hano izay omeko anao.
Ianao, ilay antsoina hoe taranak’i Jakôba, moa tsy manana fandeferana va i Iaveh? Izany va no asa fanaony? «Moa ny teniko tsy mba tenim-pitiavana ho an’izay mandeha amin’ny hitsiny?»