Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 15:13 - Baiboly Katolika

Hatolotro ho babo maimaim-poana ny rakitra amam-panananao, noho ny fahotanao rehetra, sy eo amin’ny faritaninao rehetra;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny fanananao sy ny harenanao ao anatin’ny faritaninao rehetra dia hatolotro ho babo maimaimpoana noho ny fahotana rehetra izay nataonao;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ry Joda, ny harenao sy ny zava-tsoanao dia hatolotro horobaina; ho valin’ny heloka rehetra nataonao manerana ny taninao manontolo izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ry Joda, ny harenao sy ny zava-tsoanao dia hatolotro horobaina; ho valin’ny heloka rehetra nataonao manerana ny taninao manontolo izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ny fanananao sy ny rakitrao ao anatin’ny fari-taninao rehetra Dia hatolotro ho babo maimaimpoana Noho ny fahotana rehetra izay nataonao;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ny fanananao sy ny rakitrao ao anatin'ny fari-taninao rehetra dia hatolotro ho babo maimaimpoana noho ny fahotana rehetra izay nataonao;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny fanananao sy ny harenanao ao anatin’ny faritaninao rehetra dia hatolotro ho babo maimaimpoana noho ny fahotana rehetra izay nataonao;

Jereo ny toko



Jeremia 15:13
8 Rohy Ifampitohizana  

Atolotrao toy ny ondry enti-kovonoina izahay; aelinao amin’ny firenena izahay.


Fa izao no lazain’i Iaveh: Tsy vola tsy harena no nivarotana anareo; ka dia tsy vola tsy harena koa no hanavotana anareo!


Koa ankehitriny, inona no hataoko eto? - teny marin’i Iaveh - fa nobaboina tsy an-drariny ny vahoakako? Ny mpifehy azy masiaka, manerona; - teny marin’i Iaveh,- ary ny anarako, tevatevaina tsy an-kijanona, isan’andro.


Ho maro ny mpitondratenany, mihoatra noho ny fasika eny an-dranomasina. Hitondra mpandringana ho ao aminy Aho, ao amin’ny renin’ny mpiady tanora amin’ny mitataovovonana. Hataoko mirotsaka aminy tampoka ny ahiahy mafy sy ny vadi-po.


Ry tendrombohitro izay any an-tany lemaka hatolotro ho babo avokoa ny fanananao, ny rakitrao, ny fitoeranao avo, noho ny fahotanao, teo amin’ny faritaninao rehetra.


Hatolotro avokoa ny harena amin’ity tanàna ity, ny vokany rehetra aman-java-tsoany rehetra, ary ny rakitra rehetra an’ny mpanjakan’i Jodà, hatolotro ho eo an-tanan’ny fahavalony; ka hobaboiny, halainy, hoentiny mankany Babilôna.


I Sabà sy i Debàna ary ny mpandranton’i Tarsisa mbamin’ireo liona tanorany rehetra, hanao aminao hoe: Tonga handroba va ianao? Nanangona ny miaramilanao va ianao, mba hanangona babo, hanala volafotsy sy volamena, hangorona biby fiompy aman-karena, ary hipaoka babo betsaka?»


Hatolotra hobaboina, ny fananany, ary hatolotra horavana ny tranony; hanao trano izy, fa tsy hitoetra ao; hamboly voaloboka izy, fa tsy hisotro divay avy amin’izany.