Tsy nisy olona niantso ny Anaranao, nifoha mba hifikitra aminao. Fa nafeninao taminay ny Tavanao, ary navelanao ho levona ao anatin’ny fahotana izahay.
Jeremia 13:7 - Baiboly Katolika Dia nandeha nankany Eofrata aho, ka nihady, dia naka ilay fehikibo teo amin’ny fitoerana nanafenako azy; kanjo indro, simba tsy azo atao na inona na inona intsony, ilay fehikibo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nankany amin’ny ony Eofrata aho ka nikaroka sy naka ilay fehikibo tao amin’ny toerana nanafenako azy; kanjo indro, simba ilay fehikibo ka tsy misy ilàna azy intsony. DIEM PROTESTANTA Dia niverina tany Farà aho mba hamongatra sy haka ilay fehikibo tao amin’ny toerana izay nanafenako azy. Kinanjo indro efa lò tanteraka, tsy azo ampiasaina intsony ilay fehikibo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niverina tany Farà aho mba hamongatra sy haka ilay fehikibo tao amin’ny toerana izay nanafenako azy. Kinanjo indro efa lò tanteraka, tsy azo ampiasaina intsony ilay fehikibo. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nankany Eofrata aho ka nihady, ary nalaiko tao amin’ny fitoerana nanafenako azy ilay fehin-kibo; kanjo, indro, simba ny fehin-kibo ka tsy azo natao na inona na inona intsony. Malagasy Bible Dia nankany Eofrata aho ka nihady, ary nalaiko tao amin'ny fitoerana nanafenako azy ilay fehin-kibo; kanjo, indro, simba ny fehin-kibo ka tsy azo natao na inona na inona intsony. La Bible en Malgache Dia nankany amin’ny ony Eofrata aho ka nikaroka sy naka ilay fehikibo tao amin’ny toerana nanafenako azy; kanjo indro, simba ilay fehikibo ka tsy misy ilàna azy intsony. |
Tsy nisy olona niantso ny Anaranao, nifoha mba hifikitra aminao. Fa nafeninao taminay ny Tavanao, ary navelanao ho levona ao anatin’ny fahotana izahay.
Ity vahoaka ratsy ity, izay tsy mety mihaino ny teniko, fa mandeha amin’ny ditran’ny fony, sy manaraka andriamani-kafa, mba hanompo azy sy hivavaka aminy, dia ho tahaka ity fehikibo tsy azo atao na inona na inona intsony ity.
Nony afaka andro maro be, dia hoy i Iaveh tamiko: «Mitsangàna ianao, mandehana mankany Eofrata, alao ilay fehikibo nasaiko nafeninao any.»
izay tsy nahasoa anao loatra fahiny, fa mahasoa antsika tokoa ankehitriny, dia ianao sy izaho.