Teo amoron’ny onin’i Babilôna, dia nipetraka sy nitomany izahay, nahatsiaro an’i Siôna.
Jeremia 13:4 - Baiboly Katolika «Ento ilay fehikibo novidinao, izay efa eo amin’ny tehezanao; ka mitsangàna, mandehana mankany Eofrata, afeno any, ao an-tsefatsefaky ny vatolampy izy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ento ny fehikibo izay novidinao, dia ilay amehezanao ny kibonao, ka mitsangàna, mankanesa any ony amin’ny Eofrata ary afeno ao an-tsefatsefaky ny harambato izany. DIEM PROTESTANTA «Ento ny fehikibo izay novidinao ka afehinao ny kibonao, ary mankanesa any Farà ka afeno ao an-tsefatsefaky ny harambato any izy.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Ento ny fehikibo izay novidinao ka afehinao ny kibonao, ary mankanesa any Farà ka afeno ao an-tsefatsefaky ny harambato any izy.» Baiboly Protestanta Malagasy Ento ny fehin-kibo izay novidinao, dia ilay ifehezanao ny kibonao, ka mitsangàna, mankanesa any Eofrata, ary afeno ao an-tsefatsefaky ny harambato izy. Malagasy Bible Ento ny fehin-kibo izay novidinao, dia ilay ifehezanao ny kibonao, ka mitsangana, mankanesa any Eofrata, ary afeno ao an-tsefatsefaky ny harambato izy. La Bible en Malgache Ento ny fehikibo izay novidinao, dia ilay amehezanao ny kibonao, ka mitsangàna, mankanesa any ony amin’ny Eofrata ary afeno ao an-tsefatsefaky ny harambato izany. |
Teo amoron’ny onin’i Babilôna, dia nipetraka sy nitomany izahay, nahatsiaro an’i Siôna.
Aoka ho voan’ny fanaintainana sy hanezaka ianao, ry zanaka vavin’i Siôna, toy ny vehivavy raha miteraka! Fa efa hivoaka ny tanàna ianao ankehitriny, ka nonina any an-tsaha, ary ho tonga hatrany Babilôna; any no hanafahana anao; any no hanavotan’i Iaveh anao, ho afaka amin’ny tanan’ny fahavalonao.
Akanjo volon-drameva no fitafian’io Joany io, fehikibo hoditra no nanaovany, ary valala sy tantely remby no hanina fihinany.