Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 13:20 - Baiboly Katolika

Atopazo ny masonao, ka jereo irerỳ avy avaratra: Nankaiza ny andian’ondry nomena anao, dia ireo ondry voninahitrareo?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Atopazy ny masonareo ka tazano izay avy any avaratra; aiza ny andian’ondry izay nomena anao, dia ny ondrinao tsara tarehy?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Atopazo ny masonao, ry Jerosalema, ka jereo: tonga avy any avaratra ny fahavalonao! Inona àry no hanjo ny vahoaka izay nankiniko taminao, dia ny ondrinao tsara tarehy?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Atopazo ny masonao, ry Jerosalema, ka jereo: tonga avy any avaratra ny fahavalonao! Inona àry no hanjo ny vahoaka izay nankiniko taminao, dia ny ondrinao tsara tarehy?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Atopazy ny masonareo, Ka tazano izay avy any avaratra; Aiza ny ondry andiany izay nomena anao, Dia ny ondrinao tsara tarehy?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Atopazy ny masonareo, ka tazano izay avy any avaratra; Aiza ny ondry andiany izay nomena anao, dia ny ondrinao tsara tarehy?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Atopazy ny masonareo ka tazano izay avy any avaratra; aiza ny andian’ondry izay nomena anao, dia ny ondrinao tsara tarehy?

Jereo ny toko



Jeremia 13:20
14 Rohy Ifampitohizana  

Ny hamaroan’ny vahoaka no voninahitry ny mpanjaka; ny fahavitsian’ny olony kosa dia fahafongoran’ny mpanapaka.


Ka hoy i Iaveh tamiko: «Avy any avaratra no hiroatan’ny loza hanjò ny mponina rehetra amin’ny tany.


Fa inty aho miantso ny fianakaviana rehetra amin’ny fanjakana any avaratra, - teny marin’i Iaveh. - Ka ho avy izy, ary samy hametraka ny seza fiandrianany eo am-pidiran’ny vavahadin’i Jerosalema, eo anoloan’ny mandany rehetra manodidina, ary eo anoloan’ny tanànan’i Jodà rehetra.


Misy tsaho sy siosion-teny! Injany tamy izy, misy tabataba be avy amin’ny tany avaratra, hanova ny tanànan’i Jodà ho efitra, sy fieren’amboadia!


Raha tsy mihaino izany ianareo, dia hitomany mangingina ny fanahiko noho ny fiavonavonanareo; hamarin-dranomaso mangidy ny masoko, hanao ranomaso havozona aho, satria ho lasan-ko babo ny ondrin’i Jakôba.


Koa izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely, ny amin’ireo mpiandry miandry ny vahoakako: Ny ondriko dia nahahakareo, naronjindronjinareo; tsy niahy azy ireo ianareo. Koa indro Aho kosa mba hiahy, hamelezako anareo, ny haratsian’ny nataonareo, - teny marin’i Iaveh. -


Ny any an-tsaha tsy misy tabataba dia rava avy amin’ny firehetan’ny hatezeran’i Iaveh!


Izao no lazain’i Iaveh: «Indro misy firenena tamy avy any amin’ny tany avaratra; misy firenena lehibe miainga avy any am-paran’ny tany.»


Satria indro Aho hamoky ny Kaldeanina, firenena masiaka sy mirehidrehitra, izay mandroso ho any amin’ireo tany midadasika be mba haka fonenana izay tsy azy.