Fahavetavetana amin’i Iaveh ny miavona am-po rehetra; azo itompoana tokoa fa tsy ho afa-maina izy.
Jeremia 13:15 - Baiboly Katolika Mihainoa, ary atongilano ny sofinareo, aza miavonavona, fa miteny i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mandrenesa ka mihainoa, aza miavonavona; fa NY TOMPO no miteny. DIEM PROTESTANTA Mihainoa, ka mandrenesa tsara; aza miavonavona satria ny TOMPO no miteny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mihainoa, ka mandrenesa tsara; aza miavonavona satria ny TOMPO no miteny. Baiboly Protestanta Malagasy Mandrenesa ka mihainoa, Aza miavonavona; Fa Jehovah no miteny. Malagasy Bible Mandrenesa ka mihainoa, aza miavonavona; Fa Jehovah no miteny. La Bible en Malgache Mandrenesa ka mihainoa, aza miavonavona; fa NY TOMPO no miteny. |
Fahavetavetana amin’i Iaveh ny miavona am-po rehetra; azo itompoana tokoa fa tsy ho afa-maina izy.
Mihainoa, ry lanitra, ary ianao ry tany, mitongilàna sofina, fa miteny i Iaveh: «Efa namelon-jaza Aho, ary efa nanabe ireny, kanjo izy ireo niodina tamiko.
Izao no lazain’i Iaveh: «Toy izany no hahafoanako ny avonavon’i Jodà, sy ny avonavon-dehiben’i Jerosalema.
Fantaro anefa, fa raha mamono ahy ianareo, dia handatsaka ra tsy manan-tsiny aminareo sy amin’ity tany ity, ary amin’ny mponina eo aminy, satria i Iaveh marina tokoa, no naniraka ahy ho atỳ aminareo hilaza ireo teny rehetra ireo ho ren’ny sofinareo.»
Mihainoa an’izao ianareo anti-panahy; mitongilàna sofina ianareo rehetra monina amin’ny tany! Mba efa nisy toy izao va tamin’ny andronareo, na tamin’ny andron’ny razanareo?
Ary nalain’i Iaveh tany aorian’ny biby fiompy aho, dia nataon’i Iaveh tamiko hoe: ‹Mandehana ianao, maminany any amin’i Israely vahoakako.›