Jeremia 11:16 - Baiboly Katolika Fototr’ôliva maitso tsara, miravaka voa tsara tarehy, no anarana nomen’i Iaveh anao. Ary tamin’ny horakoraka be, no nandrehetany afo taminy, ka tapaka ny rantsany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hazo oliva maitso sady misy voany tena tsara endrika no nataon’NY TOMPO anaranao. Tamin’ny fihorakorahana be no nandrehetany afo taminy ary nokapaina ny rantsany. DIEM PROTESTANTA Izy io dia nataoko hoe «Hazo ôliva maitso, misy voany mahafinaritra». Kanjo ao anatin’ny kotaba lehibe no andrehetako afo handoro ny raviny; ary dia hotapatapahina ny rantsany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izy io dia nataoko hoe «Hazo ôliva maitso, misy voany mahafinaritra». Kanjo ao anatin’ny kotaba lehibe no andrehetako afo handoro ny raviny; ary dia hotapatapahina ny rantsany. Baiboly Protestanta Malagasy ,Hazo oliva maitso sady misy voany maha-te-hizaha’ No nataon’i Jehovah anaranao; Tamin’ny fihorakorahana be no nandrehetany afo taminy, Ary notapahina ny rantsany. Malagasy Bible Hazo oliva maitso sady misy voany maha-te-hizaha no nataon'i Jehovah anaranao; Tamin'ny fihorakorahana be no nandrehetany afo taminy, ary notapahina ny rantsany. La Bible en Malgache Hazo oliva maitso sady misy voany tena tsara endrika no nataon’NY TOMPO anaranao. Tamin’ny fihorakorahana be no nandrehetany afo taminy ary nokapaina ny rantsany. |
Ry Andriamanitra ô, aza dia mijanom-potsiny; aza mangina na mitsahatra, ry Andriamanitra!
Rehefa maina ny rantsan-kazo dia tapahina; ka dia avy ny vehivavy hitaina azy. Fa firenena tsy hendry izy, ka tsy hamindra fo aminy Ilay nanao azy, ary tsy hiantra azy Ilay namorona azy.
Izaho anefa namboly anao, ho karazam-boaloboka tsara indrindra, avy amin’ny fototra tena tsara avokoa. Ka ahoana no dia niovanao amiko, ho sampana ratsy avy amin’ny voaloboka hafa karazana?
Hanasazy anareo araka ny vokatry ny asanareo Aho, - teny marin’i Iaveh, - handrehitra afo amin’ny alany Aho, ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.
Koa izao no lazain’i Iaveh Tompo: «Indro haidina amin’ity tany ity, ny hatezerako amam-pahavinirako, dia amin’ny olona sy ny biby, amin’ny hazo eny an-tsaha sy ny vokatry ny tany; ary hirehitra izany, ka tsy ho faty.»
Ho toy ny ando Aho amin’i Israely; ka haniry toy ny lisy izy, ary handatsaka ny fakany tahaka an’i Libàna.
Efa ao am-poto-kazo sahady ny famaky: koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina, ka hatsipy any anaty afo.
Izay tsy mitoetra ao amiko dia ariana any ivelany tahaka ny sampana ka maina; ary hangonina ny sampana ka hatsipy ao anaty afo, dia may.
Hanana fototr’ôliva ianao amin’ny faritaninao rehetra, fa tsy hihosotra diloilo akory, satria hihintsana ny ôlivanao.
Izy ireo no fototr’ôliva roa sy fanaovan-jiro roa, izay mitsangana eo anatrehan’ny Tompon’ny tany.