Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 1:3 - Baiboly Katolika

sy tamin’ny andron’i Jôakima, zanak’i Josiasa mpanjakan’i Jodà, hatramin’ny farany taona faha-11, nanjakan’i Sedesiasa zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, hatramin’ny namaboana an’i Jerosalema, tamin’ny volana faha-5.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

sy tamin’ny andron’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, ka hatramin’ny faran’ny taona fahiraika amby folo nanjakan’i Zedekia, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, dia hatramin’ny namaboana an’i Jerosalema tamin’ny volana fahadimy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

sy tamin’ny andron’i Jôiakima, zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda, ka hatramin’ny taona farany nanjakan’i Tsedekià, zanakalahin’i Jôsià iray hafa koa; io taona io dia ny faha-11 nanjakan’i Tsedekià tamin’ny volana fahadimy, fony lasan-ko babo ny mponina tao Jerosalema.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

sy tamin’ny andron’i Jôiakima, zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda, ka hatramin’ny taona farany nanjakan’i Tsedekià, zanakalahin’i Jôsià iray hafa koa; io taona io dia ny faha-11 nanjakan’i Tsedekià tamin’ny volana fahadimy, fony lasan-ko babo ny mponina tao Jerosalema.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

sy tamin’ny andron’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda koa, ka hatramin’ny faran’ny taona fahiraika ambin’ny folo nanjakan’i Zedekia, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, dia hatramin’ny namaboana an’i Jerosalema tamin’ny volana fahadimy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

sy tamin'ny andron'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda koa, ka hatramin'ny faran'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia hatramin'ny namaboana an'i Jerosalema tamin'ny volana fahadimy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

sy tamin’ny andron’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, ka hatramin’ny faran’ny taona fahiraika amby folo nanjakan’i Zedekia, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, dia hatramin’ny namaboana an’i Jerosalema tamin’ny volana fahadimy.

Jereo ny toko



Jeremia 1:3
19 Rohy Ifampitohizana  

I Eliasima zanak’i Josiasa no natsangan’i Faraôna Nekao ho mpanjaka, hisolo an’i Josiasa rainy, ary novany hoe i Jôakima ny anarany. Fa i Jôakaza izay nosamboriny kosa dia nankany Ejipta ka maty tany.


Ary ny natsangan’ny mpanjakan’i Babilôna ho mpanjaka hisolo an’i Joasina, dia i Mataniasa rahalahin-drainy, ka novany hoe i Sedesiasa ny anarany.


Zanaka lahin’i Josiasa: i Johanàna no lahy matoa, i Jôakima no lahy aivo, i Sedesiasa no fahatelo, i Seloma no fahefatra.


Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:


Teny avy amin’i Iaveh, tonga tamin’i Jeremia, fony i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna mbamin’ny tafiny rehetra, ny fanjakana rehetra amin’ny tany nanoa azy ho mpanapaka, ary ny firenena rehetra, niady tamin’i Jerosalema mbamin’ny tanàna rehetra momba azy, teny nanao hoe:


Ny teny avy amin’i Iaveh tonga tamin’i Jeremia, tamin’ny andron’i Jôakima mpanjakan’i Jodà, nanao hoe:


Mangalà horonan-taratasy ianao, ka soraty ao avokoa ny teny nolazaiko taminao, mamely an’i Israely sy i Jodà ary ny firenena rehetra, hatramin’ny andro nitenenako taminao, hatramin’ny andron’i Josiasa ka mandraka androany.


Tamin’ny taona faha-11 nanjakan’i Sedesisa, volana fahefatra, andro fahasivin’ny volana, dia nisy voabanga ny tanàna;


«Mitenena ianao amin’ny vahoaka rehetra amin’ny tany mbamin’ny mpisorona, ka lazao amin’izy ireo hoe: ‹Raha nifady hanina sy nanao fisaonana ianareo, tamin’ny volana fahadimy sy fahafito, efa hatramin’ny fitopolo taona izay, moa ho Ahy va no nifadianareo hanina?


Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Ny fifadian-kanina amin’ny volana fahefatra, ny fifadian-kanina amin’ny fahadimy, ny fifadian-kanina amin’ny fahafito, ary ny fifadian-kanina amin’ny volana fahafolo, dia hanjary andro fifaliana amam-piravoravoana sy ho fety lehibe, ho an’ny taranak’i Jodà.»