Jakoba 2:3 - Baiboly Katolika ka ilay mitafy sarobidy no jerenareo sy ataonareo hoe: «Mipetraha ianao eto amin’ny toerana aloha,» fa ilay mahantra kosa ilazanao hoe: «Mitsangàna erỳ, na mipetraha eto amin’ny fitoeran-tongotro» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 raha mijery ilay miakanjo tsara ianareo ka miteny hoe: Mipetraha etsy amin’ny toerana aloha ianao! Nefa miteny amin’ilay mahantra kosa hoe: Mijoroa eroa ianao! Na: Mipetraha etsy amin’ny fitoeran-tongotro! DIEM PROTESTANTA Dia hajahajainareo erỳ ilay olona miakanjo marevaka sady ataonareo hoe: «Etsy amin’ny toeram-boninahitra ianao mipetraka, azafady»; fa ilay mahantra kosa ataonareo hoe: «Mijorojoroa eo ianao, na eto an-tongotro mipetraka». Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hajahajainareo erỳ ilay olona miakanjo marevaka sady ataonareo hoe: «Etsy amin’ny toeram-boninahitra ianao mipetraka, azafady»; fa ilay mahantra kosa ataonareo hoe: «Mijorojoroa eo ianao, na eto an-tongotro mipetraka». Baiboly Protestanta Malagasy koa mijery ilay miakanjo tsara hianareo ka manao hoe: Mipetraha eto amin’ny fitoerana aloha hianao; ary manao amin’ilay malahelo kosa hoe: Mitoera eroa hianao, na: Mipetraha etsy amin’ny fitoeran-tongotro,– Malagasy Bible koa mijery ilay miakanjo tsara ianareo ka manao hoe: Mipetraha eto amin'ny fitoerana aloha ianao; ary manao amin'ilay malahelo kosa hoe: Mitoera eroa ianao, na: Mipetraha etsy amin'ny fitoeran-tongotro,- La Bible en Malgache raha mijery ilay miakanjo tsara ianareo ka miteny hoe: Mipetraha etsy amin’ny toerana aloha ianao! Nefa miteny amin’ilay mahantra kosa hoe: Mijoroa eroa ianao! Na: Mipetraha etsy amin’ny fitoeran-tongotro! |
manao hoe: «Mihataha ianao! Aza manakaiky ahy, fa masina ho anao aho!» Ireny dia setroka eo am-bavoroko, afo mirehitra mandrakariva.
Dia notebahin’i Herôda sy ny miaramilany Izy, ka nony efa nampiakanjoiny akanjo fotsy sy nolalaoviny, dia naveriny tany amin’i Pilaty indray.
Satria fantatrareo ihany ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa na dia mpanan-karena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo amin’ny fahantrany.
Raha, ohatra, ka misy olona miditra amin’ny fivorianareo: ny iray miperatra volamena sy mitafy sarobidy, ary ny iray kosa mahantra ratsy fitafiana,
Ary ianareo kosa, ka ny mahantra indray no alànareo baràka! Moa tsy ny mpanankarena va no mampahory anareo, sy mitarika anareo ho any amin’ny fitsarana?
Olona mpimonjomonjo lava izy ireo, tsy mionona amin’ny anjarany na oviana na oviana, manaraka ny danin’ny kibony hatrany hatrany, miavonavom-piteny izaitsizy, ary mandoka ny sasany mba hahazoany vola.