Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jakoba 2:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Dia hajahajainareo erỳ ilay olona miakanjo marevaka sady ataonareo hoe: «Etsy amin’ny toeram-boninahitra ianao mipetraka, azafady»; fa ilay mahantra kosa ataonareo hoe: «Mijorojoroa eo ianao, na eto an-tongotro mipetraka».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 raha mijery ilay miakanjo tsara ianareo ka miteny hoe: Mipetraha etsy amin’ny toerana aloha ianao! Nefa miteny amin’ilay mahantra kosa hoe: Mijoroa eroa ianao! Na: Mipetraha etsy amin’ny fitoeran-tongotro!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Dia hajahajainareo erỳ ilay olona miakanjo marevaka sady ataonareo hoe: «Etsy amin’ny toeram-boninahitra ianao mipetraka, azafady»; fa ilay mahantra kosa ataonareo hoe: «Mijorojoroa eo ianao, na eto an-tongotro mipetraka».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 ka ilay mitafy sarobidy no jerenareo sy ataonareo hoe: «Mipetraha ianao eto amin’ny toerana aloha,» fa ilay mahantra kosa ilazanao hoe: «Mitsangàna erỳ, na mipetraha eto amin’ny fitoeran-tongotro»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 koa mijery ilay miakanjo tsara hianareo ka manao hoe: Mipetraha eto amin’ny fitoerana aloha hianao; ary manao amin’ilay malahelo kosa hoe: Mitoera eroa hianao, na: Mipetraha etsy amin’ny fitoeran-tongotro,–

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 koa mijery ilay miakanjo tsara ianareo ka manao hoe: Mipetraha eto amin'ny fitoerana aloha ianao; ary manao amin'ilay malahelo kosa hoe: Mitoera eroa ianao, na: Mipetraha etsy amin'ny fitoeran-tongotro,-

Jereo ny toko dika mitovy




Jakoba 2:3
8 Rohy Ifampitohizana  

Mitalaholaho ny mahantra, rehefa miteny; fa mihenjana kosa ny mpanankarena, rehefa mamaly.


Ka hoy ireo amin’izay ifanenany: «Mihatakataha lavitra, aza mikasika ahy fandrao mahafaty anareo ny fahamasinako.» Ireny fomban-tsampy isan-karazany ireny dia toy ny setroka mampirongatra ny hatezerako sy toy ny afo mampirehidrehitra azy isan’andro.


Dia notebahin’i Herôda sy ny miaramilany Izy ka nesoiny sady nampiakanjoiny akanjo mamirapiratra, vao naveriny tany amin’i Pilato.


Satria fantatrareo ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika: fa na dia nanankarena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanankarena anareo ny fahantrany.


Fa misy ohatra olona miperatra volamena sady manao akanjo marevaka miditra ao am-piangonanareo, ary misy mahantra ratsy akanjo miditra ao koa.


Fa ianareo kosa, manao tsinontsinona ny mahantra! Moa tsy ny mpanankarena ve no mampahory anareo sy mitarika anareo ho eo amin’ny fitsarana?


Ireo mpampianatra sandoka ireo dia mpimonomonona sy mpimoimoy lava, sady miaina araka ny filàndratsiny no miavonavom-piteny, ka mandoka olona mba hahazoany tombon-tsoa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra