Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 7:7 - Baiboly Katolika

noho izany dia izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tsy ho vanona izany; tsy hisy izany!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

dia izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Tsy ho tanteraka izany sady tsy hisy,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Izao kosa no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Tsy ho tanteraka sady tsy hisy izany

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izao kosa no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Tsy ho tanteraka sady tsy hisy izany

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia izao no lazain’i Jehovah Tompo: Tsy ho tanteraka izany, Ary tsy hisy izany;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy ho tanteraka izany, Ary tsy hisy izany;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

dia izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Tsy ho tanteraka izany sady tsy hisy,

Jereo ny toko



Isaia 7:7
14 Rohy Ifampitohizana  

Fa ny hevitr’i Iaveh kosa maharitra mandrakizay ny fisainan’ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby rehetra.


nony nitsangana hitsara Andriamanitra; sy hamonjy ny olo-mahantra rehetra amin’ny tany. - Selà


Tsy misy fahendrena na fahamalinana, na fisainana eo anatrehan’i Iaveh.


Ny fanekenareo amin’ny fahafatesana hofoanana; ary ny fifanarahanareo amin’ny Seoly, tsy haharitra; fa rehefa handalo ny loza manafotra, homontsaniny ianareo;


Noho ianao misafoaka amiko, sy noho ny fireharehanao efa tafakatra mby ao an-tsofiko, izaho kosa hametraka ny masom-biko amin’ny oronao sy ny lamboridiko eo amin’ny vavanao, ka hamerina anao amin’ny lalana niavianao».


Tamin’ny andron’i Akaza, zanak’i Joatama, zanak’i Oziasa, mpanjakan’i Jodà, dia niakatra hanafika an’i Jerosalema, i Rasima mpanjakan’i Siria, niaraka tamin’i Fasea, zana-dRomelia, mpanjakan’i Israely; nefa tsy nahafaka azy izy.


Andeha isika hananika an’i Jodà, ka hampaharaiki-tahotra azy sy hananika azy ary hanangana ny zanak’i Tabeela ho mpanjaka ao;


Manaova fikasana, nefa hofoanana izany; manomeza baiko, nefa tsy hisy vokany izany; satria momba anay Andriamanitra!


Iza moa no niteny, dia tanteraka izany, raha tsy efa voadidin’ny Tompo?