Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 28:18 - Baiboly Katolika

18 Ny fanekenareo amin’ny fahafatesana hofoanana; ary ny fifanarahanareo amin’ny Seoly, tsy haharitra; fa rehefa handalo ny loza manafotra, homontsaniny ianareo;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Hofoanana ny fifanekenareo amin’ny fahafatesana ary tsy haharitra ny fifanarahanareo amin’ny fitoeran’ny maty; rehefa ho avy ny loza manafotra dia hohitsakitsahany ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

18 Hofoanana ny fifanekenareo tamin’ny fahafatesana ary tsy hateza ny fifanarahanareo tamin’ny fonenan’ny maty; koa raha mandalo ny loza mifofofo fiavy, dia hanapotika anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Hofoanana ny fifanekenareo tamin’ny fahafatesana ary tsy hateza ny fifanarahanareo tamin’ny fonenan’ny maty; koa raha mandalo ny loza mifofofo fiavy, dia hanapotika anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Hofoanana ny fanekenareo amin’ny fahafatesana, Ary tsy haharitra ny fifanarahanareo amin’ny fiainan-tsi-hita; Raha ho avy ny loza manafotra, Dia ho tonga fanitsakitsany hianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Hofoanana ny fanekenareo amin'ny fahafatesana, ary tsy haharitra ny fifanarahanareo amin'ny fiainan-tsi-hita raha ho avy ny loza manafotra, dia ho tonga fanitsakitsany ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 28:18
22 Rohy Ifampitohizana  

hamelezana ny tilikambo mijoalajoala rehetra, mbamin’ny manda mafy rehetra;


Ianareo manao hoe: «Efa nanao fanekena tamin’ny fahafatesana izahay; efa nanao fifanarahana tamin’ny Seoly izahay, ka dia handalo ho lasa ny loza manafotra fa tsy hahatratra anay, fa efa nanao ny lainga ho fialofana izahay, ary ny fitaka ho fierena.»


Hohosena amin’ny tongotra ny diadema be avonavon’ny mpimamo ao Efraima.


Koa ankehitriny haposako aminareo, izay hataoko amin’ny tanimboaloboko: hongotako ny fefiny, dia horaotina izy; hadorako ny tambohony, dia ho voahosihosy izy.


noho izany dia izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tsy ho vanona izany; tsy hisy izany!


Manaova fikasana, nefa hofoanana izany; manomeza baiko, nefa tsy hisy vokany izany; satria momba anay Andriamanitra!


ho tafatsofoka amin’i Jodà izy, ho tondraka sy hanafotra, hisondrotra mandra-pahatongavany havozona, ary ny fivelaran’ny elany handrakotra ny tampon’ny taninao rehetra, ry Emanoela ô!»


Hofoanako amin’ity fitoerana ity ny fisainan’i Jodà sy i Jerosalema; hataoko lavon-tsabatra eo anoloan’ny fahavalony izy, sy amin’ny tanan’ireo nitady ny ainy; ary ny fatiny homeko hohanin’ny voromanidina sy ny bibin’ny tany.


Avy any ianao dia hiverina, miloloha tanana; satria nolavin’i Iaveh ry zareo itokianao, ka tsy hahomby ianao miankina amin’ireo.»


Ary izay vitsy kely no ho afa-mandositra ny sabatra, dia ho tafaverina any amin’ny tanin’i Jodà, avy atỳ amin’ny tany Ejipta. Ka dia ho fantatr’izay sisa amin’i Jodà rehetra, dia izay tonga tany Ejipta, hitoetra tany, izay tò teny, na izaho, na izy ireo.


Izao no lazain’i Iaveh: Indro, misy rano be misondrotra avy any avaratra; dia tonga sahala amin’ny renirano maria tondraka, ka hanafotra ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy, na ny tanàna, na ny mponina. Mihorakoraka ny lehilahy, ary midradradradra avokoa ny mponina amin’ny tany.


Ary isika, nihavizaka ny masontsika, mbola miandry izay vonjy foana; eny an-tampon’ny tilikambontsika eny isika no nitsinjo, izay firenena tsy hahavonjy antsika akory.


Dia lazao amin’izay mandalotra sokay fa hirodana ny manda. Ho avy ny ora-mahery! Milatsaha, ry havandra vato! Mifofofofoa, ry tafio-drivotra!


Niodina tamin’io anefa izy, fa nandefa iraka tany Ejipta mba hanome soavaly sy olona maro azy. Ka hahomby va izy? Ho afa-mandositra va izay nanao izany? Nivadi-panekena izy, ka ho afa-mandositra ve!


Hofoanany amin’ny riaka manafotra izany fitoerana izany; ary hoenjehina hatrany anatin’ny haizina ny fahavalony.


Fa ny teniko sy ny didiko kosa, izay nasaiko nentin’ny mpaminany mpanompoko, moa tsy nahatratra ny razanareo va, ka dia nibebaka izy ireo ary nanao hoe: Izay efa notapahin’i Iavehn’ny tafika hatao amintsika araka ny lalantsika sy araka ny asantsika dia nataony tamintsika tokoa.»


Dia nandefa rano toy ny ony avy amin’ny vavany ilay menarana, hankany amin-dRavehivavy, mba hipaohan’ny ony azy.


Izao koa, hoy izy tamiko: Ny rano efa hitanao nipetrahan-dRavehivavy janga, dia olona amam-bahoaka sy firenena aman-tsamihafa fiteny maro.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra