Isaia 7:23 - Baiboly Katolika Amin’izany andro izany ny tany rehetra misy foto-boaloboka arivo izay lafo lela volafotsy arivo, dia ho rakotra hery sy tsilo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Amin’izany andro izany dia ho rakotry ny anjavidy sy ny tsilo ny tany rehetra izay nisy voaloboka arivo fototra tokony ho arivo sekela. DIEM PROTESTANTA Amin’izany andro izany koa ny saha rehetra nisy voaloboka arivo fototra izay mitentina volafotsy arivo dia ho rakotry ny tsilo sy ny songosongo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Amin’izany andro izany koa ny saha rehetra nisy voaloboka arivo fototra izay mitentina volafotsy arivo dia ho rakotry ny tsilo sy ny songosongo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary amin’izany andro izany dia ho rakotry ny hery sy ny tsilo Ny tany rehetra izay nisy voaloboka arivo nahazo sekely arivo. Malagasy Bible Ary amin'Izany andro izany dia ho rakotry ny hery sy ny tsilo Ny tany rehetra izay nisy voaloboka arivo nahazo sekely arivo. La Bible en Malgache Amin’izany andro izany dia ho rakotry ny anjavidy sy ny tsilo ny tany rehetra izay nisy voaloboka arivo fototra tokony ho arivo sekela. |
Raha afaka herintaona mahery andro vitsy, dia hangovitra ianareo tsy manahy, fa ny fiotazam-boaloboka tsy hisy; ny fanangonam-boa tsy hatao.
Fa ny tanimboaloboka telon-jato aza tsy hahavokatra afa-tsy iray bata, ny voan-javatra iray homera tsy hahavokatra afa-tsy iray efah.
Hataoko tany foana izy; ka tsy hohetezana na hasaina intsony; fa hanirian’ny hery aman-tsilo; ary handidy ny rahona aho, tsy handatsaka orana aminy intsony.
Zana-tsipìka aman-tsipìka, no hoenti-miditra ao, fa tsy hisy afa-tsy hery sy tsilo, amin’ny tany rehetra.
Mijery aho, ka ny sahan-kazo mamoa zary efitra; ary ny tanànany rehetra, rava avokoa eo anatrehan’i Iaveh.
Ary ankehitriny, habaribariko ny fahamenarany eo imason’ireo lehilahiny, ary tsy misy hahafaka azy amin’ny tanako.
Fa indro lasa izy ireo teo anatrehan’ny fandringanana: i Ejipta handray azy, ary i Memfisy handevina azy; ny fanaka volafotsiny sarobidy, ho rembin’ny beroberok’amboa ny lainy ho tongan’ny tsilo.
«Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano anankiray namboly voaloboka; namefy azy manodidina izy, sy nandavaka tany hanaovana famiazana teo, ary nanao tilikambo; dia nahofany tamin’ny mpiasa izany, ka lasa nandeha lavitra izy.
fa hàlany sy efa hozoniny kosa raha maniry tsilo sy hery, ka ny hodoran’ny olona no hiafarany.