Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 7:22 - Baiboly Katolika

ka noho ny habetsahan’ny ronono avy amin’ireny dia tsy hihinana afa-tsy hero-dronono ny olona; fa hero-dronono sy tantely no fihinan’ny olona rehetra tafajanona eo amin’ny tany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ho be tokoa ny ronono azo avy amin’ireo ka hihinana rononomandry ny olona; rononomandry sy tantely no ho fihinan’ny olona sisa rehetra ao amin’ny tany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ka noho ny habetsahan’ny ronono avy aminy dia rononomandry no hohanin’ny olona fa rononomandry sy tantely no ho foto-tsakafo ho an’izay rehetra sisa tavela eto amin’ny tany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ka noho ny habetsahan’ny ronono avy aminy dia rononomandry no hohanin’ny olona fa rononomandry sy tantely no ho foto-tsakafo ho an’izay rehetra sisa tavela eto amin’ny tany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary noho ny haben’ny ronono azo avy amin’ireo dia hihinana rononomandry izy; Fa rononomandry sy tantely no ho fihinan’ny olona sisa rehetra ao amin’ny tany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary noho ny haben'ny ronono azo avy amin'ireo dia hihinana rononomandry izy; Fa rononomandry sy tantely no ho fihinan'ny olona sisa rehetra ao amin'ny tany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ho be tokoa ny ronono azo avy amin’ireo ka hihinana rononomandry ny olona; rononomandry sy tantely no ho fihinan’ny olona sisa rehetra ao amin’ny tany.

Jereo ny toko



Isaia 7:22
7 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo i Abrahama dia nandeha faingana ho any amin’ny andian’omby, dia naka zanak’omby anankiray tanora sy tsara izy, ary nomeny ny mpanompony izay nahandro izany faingana; dia nandray mena-dronono sy ronono mbamin’ilay zanak’omby efa nandrahoina izy, ary narosony izany teo anoloan’izy ireo, ary izy kosa nitsangana teo anilany, teo am-poto-kazo. Ary nihinana izy ireo.


tantely, dibera, ondry, ary frômazin’omby: nateriny izany mba hohanin’i Davida sy ny vahoaka tao aminy, fa hoy izy: «Nihafy tamin’ny hanoanana sy ny fahasasarana ary ny hetaheta any an’efitra ity vahoaka ity.»


Ka amin’izay ny faraidiny hahita hanina; ary ny mahantra handry feizay. Fa ny taranakao kosa, hataoko maty mosary; ary izay sisa avy aminao, haringana. -


Ny tanànan’i Aroera ilaozana, nafoy ho an’ny biby fiompy izy, ka mijanona ao tsy misy mampiala azy.


Hihinana hero-dronono sy tantely izy, mandra-pahaizany mandà ny ratsy sy mifidy ny tsara.


Maro amin’izy ireo no ho tafintohina, ho lavo, sady ho montsamontsana; ary ho voafandrika sy ho voasambotra.


Akanjo volon-drameva no fitafian’io Joany io, fehikibo hoditra no nanaovany, ary valala sy tantely remby no hanina fihinany.