Kanjo natoky ny hatsaran-tarehinao ianao, ka nitolo-tena ho an’ny olon-kafa noho ny lazanao, nanarana ny fitiavanao tamin’ny mpandalo rehetra, nanolo-tena taminy.
Isaia 57:8 - Baiboly Katolika Teo ivohon’ny varavarana sy ny tolàm-baravarana ianao, no nametraka ny fahatsiarovanao. Fa lavitra Ahy ianao miala rako-dambam-pandriana, miakatra ao sy manitatra ny fandrianao ianao, ary nandraikitra ny tambinao tamin’izy ireo; mankamamy ny fifamihinany aminao ianao, mandoto ny masonao ianao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Teo ivohon’ny varavarana sy ny tolanam-baravarana no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao; fa lavitra Ahy no nitanjahanao sy niakaranao teo amin’ny fandriana izay nataonao malalaka, dia nanao fanekena tamin’ireny ianao; tia ny mandry aminy ianao ka mijery azy. DIEM PROTESTANTA Tao ambadiky ny tolàm-baravarana no nametrahanao ny ody fampahatsiarovana anao. Fa lavitra Ahy kosa no nitanjahanao sy niakaranao hankeo am-pandrianao ary nanalalahanao ny toerana teo. Dia nividy sakaiza maro ianao, ka finaritra matory miaraka aminy; ary nobanjininao ilay rantsam-batany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tao ambadiky ny tolàm-baravarana no nametrahanao ny ody fampahatsiarovana anao. Fa lavitra Ahy kosa no nitanjahanao sy niakaranao hankeo am-pandrianao ary nanalalahanao ny toerana teo. Dia nividy sakaiza maro ianao, ka finaritra matory miaraka aminy; ary nobanjininao ilay rantsam-batany. Baiboly Protestanta Malagasy Teo ivohon’ny varavarana sy ny tolam-baravarana no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao; Fa lavitra Ahy no nitanjahanao sy niakaranao, Eny, nataonao malalaka ny fandrianao, ary nanao fanekena ny amin’izay hataon’ireny hianao; Tia ny fandriana aminy hianao ka nizaha toerana ho anao. Malagasy Bible Teo ivohon'ny varavarana sy ny tolam-baravarana no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao; fa lavitra Ahy no nitanjahanao sy niakaranao, eny, nataonao malalaka ny fandrianao, ary nanao fanekena ny amin'izay hataon'ireny ianao; tia ny fandriana aminy ianao ka nizaha toerana ho anao. La Bible en Malgache Teo ivohon’ny varavarana sy ny tolanam-baravarana no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao; fa lavitra Ahy no nitanjahanao sy niakaranao teo amin’ny fandriana izay nataonao malalaka, dia nanao fanekena tamin’ireny ianao; tia ny mandry aminy ianao ka mijery azy. |
Kanjo natoky ny hatsaran-tarehinao ianao, ka nitolo-tena ho an’ny olon-kafa noho ny lazanao, nanarana ny fitiavanao tamin’ny mpandalo rehetra, nanolo-tena taminy.
Nipetraka teo ambony farafara be renty ianao, ary teo anoloany dia nanamboarana latabatra, ka nametrahana ny emboka manitra aman-diloiloko.