Isaia 53:9 - Baiboly Katolika Natao iray fasana tamin’ny ratsy fanahy Izy; ary eo amin’ny mpanan-karena nony efa maty, nefa tsy mba nanao ny tsy marina, ary tsy mba nisy fitaka teo am-bavany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Natao tao amin’ny olon-dratsy ny fasany, ary teo amin’ny mpanankarena ny toerana nandevenana Azy na dia tsy nanao ratsy aza Izy sady tsy nisy fitaka teo am-bavany. DIEM PROTESTANTA Nokasaina hiray fasana amin’ny olon-dratsy izany Mpanompon’ny Tompo izany; kanefa teo anivon’ny mpanankarena no nandevenana azy, satria tsy nanao ratsy akory izy ary tsy nisy fitaka teo am-bavany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nokasaina hiray fasana amin’ny olon-dratsy izany Mpanompon’ny Tompo izany; kanefa teo anivon’ny mpanankarena no nandevenana azy, satria tsy nanao ratsy akory izy ary tsy nisy fitaka teo am-bavany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nokasaina hatao tao amin’ny olo-meloka ny fasany (Nefa teo amin’ny mpanan-karena Izy, rehefa novonoina), Na dia tsy nanao ratsy aza Izy, Sady tsy nisy fitaka teo am-bavany. Malagasy Bible Ary nokasaina hatao tao amin'ny olo-meloka ny fasany (Nefa teo amin'ny mpanankarena Izy, rehefa novonoina), na dia tsy nanao ratsy aza Izy, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany. La Bible en Malgache Natao tao amin’ny olon-dratsy ny fasany, ary teo amin’ny mpanankarena ny toerana nandevenana Azy na dia tsy nanao ratsy aza Izy sady tsy nisy fitaka teo am-bavany. |
Fa he ity izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika!
Satria tsy mpisorom-be tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra izy, afa-tsy ny fahotana.
Eny tokoa, dia mpisorom-be toy izao no sahaza antsika: masina, tsy manan-tsiny, tsy misy pentina, voaavaka amin’ny mpanota, voasandratra avo noho ny lanitra;
Fantatrareo anefa fa Izy no niseho dia mba hanala ny fahotana; ary tsy mba misy ota ao aminy.