dia hanisy soa anao Aho, hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina, ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony.
Isaia 51:2 - Baiboly Katolika Diniho i Abrahama rainareo; sy i Sarà, izay niteraka anareo; fa fony izy mbola tokana no nantsoiko izy. dia notahiko sy nohamaroiko. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Eny, tsarovy i Abrahama rainareo sy i Saraha izay niteraka anareo; fa fony mbola izy irery dia nantsoiko sy notahiko ary nohamaroiko. DIEM PROTESTANTA Hevero i Abrahama rainareo sy i Sarà izay niteraka anareo. Mbola tsy nanan-janaka i Abrahama, fony nantsoiko; kanefa notahîko izy sy nohamaroiko!» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hevero i Abrahama rainareo sy i Sarà izay niteraka anareo. Mbola tsy nanan-janaka i Abrahama, fony nantsoiko; kanefa notahîko izy sy nohamaroiko!» Baiboly Protestanta Malagasy Eny, tsarovy Abrahama rainareo sy Saraha, izay niteraka anareo; Fa fony mbola tokana izy, dia nantsoiko Sy notahiko ary nohamaroiko. Malagasy Bible Eny, tsarovy Abrahama rainareo sy Saraha, izay niteraka anareo; fa fony mbola tokana izy, dia nantsoiko sy notahiko ary nohamaroiko. La Bible en Malgache Eny, tsarovy i Abrahama rainareo sy i Saraha izay niteraka anareo; fa fony mbola izy irery dia nantsoiko sy notahiko ary nohamaroiko. |
dia hanisy soa anao Aho, hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina, ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony.
Efa zoky olona sy nandroso fahanterana i Abrahama sady nosoavin’i Iaveh tamin’ny zavatra rehetra.
Ny tompoko efa nasian’i Iaveh soa be indrindra, ka efa tonga olona be fahefana izy; fa nomeny ondry sy omby, ary mpanompo lahy sy mpanompo vavy, ary rameva aman’ampondra.
Noho izany, izao no lazain’i Iaveh amin’ny taranak’i Jakôba, dia Izy izay nanavotra an’i Abrahama: «Tsy hisy hahamenatra an’i Jakôba intsony tsy hivaloarika intsony ny handriny.
Fa ianao kosa, ry Israely, mpanompoko, ianao, ry Jakôba nofidiko, taranak’i Abrahama, sakaizako.
Mihainoa izao, ry taranak’i Jakôba, ianareo izay antsoina amin’ny anaran’i Israely; nateraky ny loharanon’i Jodà, mianiana amin’ny Anaran’i Iaveh, ary mankalaza ny Andriamanitr’i Israely, nefa tsy amin’ny fo mahitsy na araka ny hitsim-po.
Ny vitsy indrindra ho tonga arivo; ary ny kely indrindra ho firenena mahery. Izaho Iaveh no hanafaingana izany samy amin’ny fotoany avy.
Ianao anefa no Rainay; fa i Abrahama tsy mahalala anay, ary i Israely tsy mahafantatra anay. Ianao, Iaveh, no tianay; Mpanavotra anay no Anaranao, hatrizay ela izay.
Ry zanak’olona, ireo monina ao amin’ireny toeran-dravarava amin’ny tanin’i Israely ireny, manao hoe: «Irery i Abrahama, ary efa nahazo ny tany ho anjarany; isika kosa maro ary efa nomena antsika ny tany ho fananantsika.»
Efa nampitombo anareo i Iaveh Andriamanitrareo, ka indro ankehitriny efa maro toy ny kintana eny an-danitra ianareo.
Ary hiteny eo anoloan’i Iaveh Andriamanitrao ianao ka hanao hoe: Ny raiko dia Arameanina efa saiky maty; nidina nankany Ejipta izy, nomban’olom-bitsy dia zary mpivahiny tany; tao izy no tonga firenena lehibe sy mahery ary maro.
Nalaiko tany an-dafin’ny ony i Abrahama razanareo ary nentiko ho amin’ny tany Kanaana rehetra; nampitomboiko taranaka, ary nomeko an’i Isaaka izy.