Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 51:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Hevero i Abrahama rainareo sy i Sarà izay niteraka anareo. Mbola tsy nanan-janaka i Abrahama, fony nantsoiko; kanefa notahîko izy sy nohamaroiko!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Eny, tsarovy i Abrahama rainareo sy i Saraha izay niteraka anareo; fa fony mbola izy irery dia nantsoiko sy notahiko ary nohamaroiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Hevero i Abrahama rainareo sy i Sarà izay niteraka anareo. Mbola tsy nanan-janaka i Abrahama, fony nantsoiko; kanefa notahîko izy sy nohamaroiko!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Diniho i Abrahama rainareo; sy i Sarà, izay niteraka anareo; fa fony izy mbola tokana no nantsoiko izy. dia notahiko sy nohamaroiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Eny, tsarovy Abrahama rainareo sy Saraha, izay niteraka anareo; Fa fony mbola tokana izy, dia nantsoiko Sy notahiko ary nohamaroiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Eny, tsarovy Abrahama rainareo sy Saraha, izay niteraka anareo; fa fony mbola tokana izy, dia nantsoiko sy notahiko ary nohamaroiko.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 51:2
23 Rohy Ifampitohizana  

fa hitahy anao tokoa Aho ka hahamaro dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny an-danitra na ny fasika eny amoron-dranomasina. Ary ny taranakao dia haka ny tanànan’ireo fahavalony.


Ary efa tena antitra be i Abrahama, sady notahîn’ny TOMPO tamin’ny zavatra rehetra.


Efa notahîn’ny TOMPO tokoa ny tompoko ka tonga olo-malaza. Nomen’ny TOMPO azy ny andian’ondry aman’osy sy omby ary koa volafotsy sy volamena, mpanompolahy sy mpanompovavy betsaka, ary rameva sy boriky.


Noho izany àry, ny TOMPO Andriamanitr’i Jakôba sy ny taranany sady mpanavotra an’i Abrahama dia nilaza izao teny izao: «Tsy ho menatra intsony ny taranak’i Jakôba, ary tsy hivaloarika intsony ny tarehiny.»


Ianao kosa, ry Israely mpanompoko, firenen’i Jakôba izay nofidiko, taranak’i Abrahama sakaizako,


Ilay razanao voalohany efa nanota, ary ireo mpitondrateninao efa nikomy tamiko.


Henoy izao, ry firenen’i Jakôba, dia ianareo izay mitonon-tena ho Israely sy taranaka nipoitra avy tamin’i Joda, ianareo izay mianiana amin’ny anaran’ny TOMPO ka miantso ny anaran’Andriamanitr’i Israely nefa tsy araka ny fahamarinana sy ny fahitsiana.


Ny fianakaviana kely indrindra ho tonga olona arivo, ary ny fianakaviana osa indrindra hanjary firenena mahery. Izaho TOMPO mihitsy no hanafaingana izany amin’ny fotoana tokony hahatongavany.


Satria Ianao mihitsy no Rainay, fa i Abrahama tsy mahalala anay, ary i Jakôba tsy mahafantatra anay; eny, TOMPO ô, Ianao no Rainay, Ianao ilay nantsoina hatrizay hatrizay amin’ny anaranao hoe «Mpanavotra anay.»


«Ry ilay taranak’olombelona, ireo mponina tavela amin’ireo tanàna rava any an-tanin’i Israely dia nilaza hoe: ‹I Abrahama irery aza nahazo ity tany ity ho fananany, mainka fa isika marobe izao dia homena ity tany ity ho fananantsika›.


Efa nahamaro anareo ny TOMPO Andriamanitrareo, ka indro ankehitriny efa maro toy ny kintana eny amin’ny habakabaka ianareo.


Ary samy hiteny eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka hanao hoe: «Aramianina mpanjenjena ilay razambeko; nidina nankany Ejipta izy, dia nivahiny tany niaraka tamin’olom-bitsy; ka tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa.


Fa Izaho no naka an’i Abrahama razambenareo avy tany am-pitan’ny ony Eofrata ary nitondra azy namakivaky ny tany Kanahàna manontolo sady nampahamaro ny taranany. Nomeko ho zanakalahin’i Abrahama i Itsehàka,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra