Salamon’i Davida. Ny hatsaram-po amam-pahamarinana no tiako hohiraina; Ianao Iaveh no tiako hankalazaina.
Isaia 5:1 - Baiboly Katolika Andeha hihira ho an’ny malalako aho, ilay hiran’ny malalako, ny amin’ny tanimboalobony. Ny malalako dia nanan-tanimboaloboka, teo amin’ny tanety mahavokatra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Avelao aho hihira ho an’ny malalako, dia ny hiran’ny malalako ny amin’ny tanim-boalobony. Ny malalako dia nanana tanim-boaloboka teo amin’ny havoana lonaka. DIEM PROTESTANTA Avelao aho hihira ho an’ny sakaizako, dia ny hiran’ny sakaizako momba ny voalobony: Nanana voaloboka iray ity sakaizako teo amin’izay tanety lonaka izay. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Avelao aho hihira ho an’ny sakaizako, dia ny hiran’ny sakaizako momba ny voalobony: Nanana voaloboka iray ity sakaizako teo amin’izay tanety lonaka izay. Baiboly Protestanta Malagasy AOKA aho hihira ny amin’ ny Malalako, Dia hiran’ny Malalako ny amin’ny tanimboalobony. Ny Malalako nanana tanimboaloboka tao an-kavoana lonaka; Malagasy Bible Aoka aho hihira ny amin'ny Malalako, dia hiran'ny Malalako ny amin'ny tanim-boalobony. Ny Malalako nanana tanim-boaloboka tao an-kavoana lonaka; La Bible en Malgache Avelao aho hihira ho an’ny malalako, dia ny hiran’ny malalako ny amin’ny tanim-boalobony. Ny malalako dia nanana tanim-boaloboka teo amin’ny havoana lonaka. |
Salamon’i Davida. Ny hatsaram-po amam-pahamarinana no tiako hohiraina; Ianao Iaveh no tiako hankalazaina.
Nasianao fizahan-toetra sarotra ny vahoakanao, nampisotroinao divay mahafanina izahay.
Ry Andriamanitry ny tafika ô ampodio amin’ny toetranay taloha izahay, ampamirapirato ny Tavanao, dia ho voavonjy izahay.
Mamy dia mamy ny vavany, ary mahatehotia avokoa ny tenany. Toy izany ny malalako, toy izany ny olon-tiako, ry zanaka vavin’i Jerosalema.
Matory aho, nefa mahatsiaro ny foko... Injay ny feon’ny malalako! Mandondòna izy: - Vohay aho, ranabavy, ry sakaizako, ry voromahailalako, ry ahy tsy misy pentina; fa vonton’ny ando ny lohako, kotsan’ny andon’ny alina ny voloko voalantolanto.
Mpiandry ondry maro no nanimba ny tanimboaloboko, nanosihosy ny taniko, nanova ny anjara mamiko ho efitra, ho tany lao.
Izaho anefa namboly anao, ho karazam-boaloboka tsara indrindra, avy amin’ny fototra tena tsara avokoa. Ka ahoana no dia niovanao amiko, ho sampana ratsy avy amin’ny voaloboka hafa karazana?
Ry zanak’olona, Inona no ihoaran’ny tahom-boaloboka, noho ny tahon’ny hazo hafa rehetra, noho ny rantsan-kazo izay isan’ireo hazo any an’ala?
Toy ny voaloboka ny reninao tamin’ny andro nanambinana anao, voavoly teo amoron-drano izy, namoa sady nandravina, noho ny habetsahan’ny rano.
Voaloboka mirobona erỳ i Israely, efa mavesatry ny voany. Araka ny habetsahan’ny voany no ampitomboany ny ôteliny; araka ny hatsaran’ny taniny, no hatsaran’ny tsangam-bato nataony.
«Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano anankiray namboly voaloboka; namefy azy manodidina izy, sy nandavaka tany hanaovana famiazana teo, ary nanao tilikambo; dia nahofany tamin’ny mpiasa izany, ka lasa nandeha lavitra izy.
Ary niteny tamin’izy ireo tamin’ny fanoharana Izy nanao hoe: «Nisy lehilahy anankiray namboly voaloboka, ka namefy azy manodidina, nandavaka tany hanaovana famiazana, nanorina tilikambo tao, ary nampanofa azy tamin’ny mpamboly voaloboka, dia lasa nankany an-tany hafa.
Dia nilaza ity fanoharana ity tamin’ny vahoaka Izy nanao hoe: «Nisy lehilahy anankiray namboly tanimboaloboka ka nahofany tamin’ny mpiasa, dia lasa izy ka nitoetra ela tany an-tany hafa.
Hihinana ianao dia ho voky, ary hisaotra an’i Iaveh Andriamanitrao noho ny tany soa nomeny anao.
«Fa efa hampidirin’i Iaveh Andriamanitrao, any amin’ny tany soa ianao, dia tany misy ranon-driaka aman-doharano, sy rano lalina miboiboika avy amin’ny lohasaha aman-tendrombohitra;