Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 49:16 - Baiboly Katolika

Jereo, efa vitako tombo-kavatsa eo amin’ny felatanako ianao; eo anatrehako mandrakariva ny mandanao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ianao; ary eo anatrehako mandrakariva ny mandanao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Indro efa vitako tombokavatsa eo am-pelatanako ny anaranao, ary eo imasoko hatrany ny mandanao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Indro efa vitako tombokavatsa eo am-pelatanako ny anaranao, ary eo imasoko hatrany ny mandanao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatànako hianao, Ary ny màndanao dia eo anatrehako mandrakariva.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ianao, ary ny mandanao dia eo anatrehako mandrakariva.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ianao; ary eo anatrehako mandrakariva ny mandanao.

Jereo ny toko



Isaia 49:16
12 Rohy Ifampitohizana  

Ary ho anao dia ho toy ny famantarana mipetraka amin’ny tananao izany sy ho toy ny fahatsiarovana tsy hiala eo anelanelan’ny masonao, mba ho eo am-bavanao ny lalàn’i Iaveh; satria tamin’ny tanany mahery no namoahan’i Iaveh anao tany Ejipta.


Ataovy vita tombokase eo ambonin’ny fonao aho, sy vita tombon-kase eo an-tsandrinao; fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, tsy azo ifonana toy ny Seoly ny fahasaro-piaro, mirehitra toy ny afo ny firehetany, dia lelafon’i Iaveh.


Amin’izany andro izany hohiraina ao amin’ny tanin’i Jodà izao hira izao: «Manana tanàna mafy isika! Ny famonjeny no ataony mandany sy manda ivelany.


hataoko vato tsy leon-doza ny nongonongo-mandanao, eskarbokla ny vavahadinao, ary vatosoa avokoa ny manda manodidina anao.


Tsy ho re eo amin’ny taninao intsony izay hoe fampahoriana; na izay hoe fandravana amam-pandringanana, eo amin’ny faritaninao; ny mandanao antsoina hoe: i Famonjena, ary ny vavahadinao: i Fiderana.


Eo ambonin’ny mandanao, ry Jerosalema, no efa nametrahako mpiambina; ka tsy hangina intsony ireny, na andro na alina.


O ry zareo mpampahatsiaro an’i Iaveh ô, aza mitsahatra ianareo; ary aza avelanareo hitsahatra Izy, mandra-panangany an’i Jerosalema indray, sy mandra-panaony azy ho fideran’ny tany.


Ny fahotan’i Jodà dia voasoratra tamin’ny vy fanoratana sy tamin’ny fantsika diamondra, voasokitra eo amin’ny takelaky ny fony izany, sy eo amin’ny tandroky ny ôtelinareo.


Velona Aho, - teny marin’i Iaveh, - Na ho peratra eo an-tanako ankavanana aza I Jekôniasa zanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà dia hombotako hiala eo izy.


Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, halaiko ianao, ry Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, ry mpanompoko, - teny marin’i Iaveh, - ka hataoko toy ny fanombohan-kase; satria efa voafidiko ianao, - teny marin’i Iavehn’ny tafika.