Ankehitriny, Iaveh Andriamanitray ô, vonjeo amin’ny tanan’i Senakeriba izahay; ary aoka ho fantatry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany, fa Ianao irery no Iaveh.»
Isaia 43:12 - Baiboly Katolika Izaho no nilaza, Izaho no namonjy, Izaho no nilaza mialoha, tsy mba andriamani-kafa eo aminareo; ary ianareo no vavolombeloko - teny marin’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izaho no nilaza sy namonjy ary nanambara, ary tsy nisy olon-kafa tao aminareo; koa ianareo no vavolombeloko, hoy NY TOMPO, ary Izaho no Andriamanitra. DIEM PROTESTANTA Izaho no nanambara sy nanome ny famonjena ka nampahafantatra izany rahateo, fa tsy nisy andriamani-kafa tao aminareo. Koa ianareo no vavolombeloko, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO; ary Izaho no Andriamanitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izaho no nanambara sy nanome ny famonjena ka nampahafantatra izany rahateo, fa tsy nisy andriamani-kafa tao aminareo. Koa ianareo no vavolombeloko, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO; ary Izaho no Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy Izaho efa nilaza sy namonjy ary nanambara, Ary tsy nisy hafa tao aminareo; Dia hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, ary Izaho no Andriamanitra. Malagasy Bible Izaho efa nilaza sy namonjy ary nanambara, ary tsy nisy hafa tao aminareo; Dia ianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, ary Izaho no Andriamanitra. La Bible en Malgache Izaho no nilaza sy namonjy ary nanambara, ary tsy nisy olon-kafa tao aminareo; koa ianareo no vavolombeloko, hoy NY TOMPO, ary Izaho no Andriamanitra. |
Ankehitriny, Iaveh Andriamanitray ô, vonjeo amin’ny tanan’i Senakeriba izahay; ary aoka ho fantatry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany, fa Ianao irery no Iaveh.»
Fa indro Aho, manisy fanahy ao anatiny, hany ka noho ny vaovao hampandrenesina azy dia hiverina ho any amin’ny taniny izy, dia hataoko lavon-tsabatra any amin’ny taniny.»
Ianareo no vavolombeloko, - teny marin’i Iaveh sady mpanompoko, izay nofidiko; mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ary hahazoanareo an-tsaina, fa Izaho no izy. Tsy misy Andriamanitra voaforona talohako; ary tsy hisy koa any aoriako.
Aza taitra na matahotra foana ianareo! Tsy efa nampahalala anao, hatry ny ela va Aho, sy efa nilaza izany taminao? - Ianareo no vavolombeloko!- Moa misy Andriamanitra afa-tsy izaho va? Tsy misy Vatolampy hafa; tsy mahita izany aho.»
Tsy niteny tao amin’ny mangingina Aho, tao amin’ny toerana maizimaizina amin’ny tany. Tsy nilaza tamin’ny taranak’i Jakôba Aho nanao hoe: Aoka hitady foana anie ianareo! Fa izaho Iaveh dia milaza ny marina, manambara ny fahamarinana.»
Indro izy natsangako ho vavolombelona eo amin’ny firenena; ho mpifehy sy mpandidy ny firenena.
Nampahasaro-piaro Azy tamin’ny andriamanitra hafa izy ireo ary nampahatezitra Azy tamin’ny fahavetavetana.
Jereo amin’izao fa Izaho, dia Izaho ihany no izy, ary tsy misy andriamanitra miolotra amiko; Izaho no mahafaty sy mahavelona; Izaho no naharàtra, ary Izaho koa no hahasitrana. Ary tsy misy olona mahafaka amin’ny tanako.