Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 40:7 - Baiboly Katolika

Maina ny ahitra, malazo ny voniny, rehefa seranin’ny fofon’ain’i Iaveh. Eny, ahitra ihany ny olombelona:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Maina ny ahitra, malazo ny voniny, rehefa tsofin’ny fofonain’NY TOMPO. Eny, ahitra tokoa ny olona:

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Mihamaina ny ahitra, mihamalazo ny voninkazo rehefa seranan’ny fofonain’ny TOMPO. –Mihelina toy ny ahitra tokoa ny olona–.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mihamaina ny ahitra, mihamalazo ny voninkazo rehefa seranan’ny fofonain’ny TOMPO. –Mihelina toy ny ahitra tokoa ny olona–.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Maina ny ahitra, malazo ny voniny, Satria tsofin’ny fofonain’i Jehovah ireny; Eny, ahitra tokoa ny olona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Maina ny ahitra, malazo ny voniny, satria tsofin'ny fofonain'i Jehovah ireny; Eny, ahitra tokoa ny olona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Maina ny ahitra, malazo ny voniny, rehefa tsofin’ny fofonain’NY TOMPO. Eny, ahitra tokoa ny olona:

Jereo ny toko



Isaia 40:7
15 Rohy Ifampitohizana  

Mitsimoka, dia jinjaina hoatra ny voninkazo izy; Lasa tsy mijanona hoatra ny aloka.


Fa ny fofon’ain’Andriamanitra no aharinganan’ireny, ny fifofofofon’ny hatezerany no mahalevona ireny.


Ny kanonta toy ny vodivary aminy; ny fikatrakatraky ny lefona ihomehezany.


Fa levona toy ny lasan-ko setroka ny androko, ary mirehitra, toy ny doran’ny afo, ny taolako.


Ny olombelona! Tahaka ny ahitra ny androny, tahaka ny voninkazo any an-tsaha ny famoniny,


ka vao tsofin’ny rivotra izy dia tsy eo intsony, ary ny toerana nisy azy, tsy mahalala azy intsony.


Manindrona azy toy ny nofy Ianao; ny maraina, mitsimoka indray izy, toy ny ahitra;


mamòny sy maniry izy ny maraina; fa malazo sy maina ny hariva.


Ny madinika hotsarainy ara-drariny, ary ny mpietry eto an-tany dia hamoahany teny fitsarana araka ny marina. Hikapoka ny tany amin’ny tsora-kazon’ny vavany izy, ary hamono ny ratsy fanahy amin’ny fofon’ain’ny molony.


Tsy manan-kery ny mponina fa raiki-tahotra sy mivadi-po; izy ireo manahaka ny ahitra eny an-tsaha aman-java-maitso milenodenoka, tahaka ny ahitra ambony tafon-trano, tahaka ny vary mandavenona, maina alohan’ny fahamasahany.


Vao nambolena ireo, vao nafafy ireo, vao latsa-paka amin’ny tany ny fotony, dia tsofiny ka malazo, ary nindaosin’ny ranonoram-baratra hoatra ny vodivary.


Izaho dia Izaho no mampionona anareo; fa iza moa ianao no dia matahotra olombelona mety maty, zanak’olombelona mihelina hoatra ny ahitra;


Nanantena be ianao, nefa tsy nisy afa-tsy kely foana; nanangona ny vokatrareo, nefa notsofiko izany. Nahoana? - teny marin’i Iavehn’ny tafika. - Satria ny Tranoko mbola rava; nefa ianareo isany, samy maimay be ihany ny amin’ny tranony avy.


ary ny manan-karena kosa, hanao ny fietreny ho voninahiny, fa hihelina toy ny vonin’ny ahitra izy.


Nony miposaka ny masoandro mahamay, dia mandazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny rehetra: toy izany koa ny mpanankarena, halazo amin’izay alehany izy.