Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 36:1 - Baiboly Katolika

Tamin’ny taona faha-14, nanjakan’i Ezekiasa, niakatra i Senakeriba, mpanjakan’i Asiria, hamely ny tanàna mimanda rehetra any Jodà, ka nahafaka ireny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tamin’ny taona fahefatra amby folo nanjakan’i Hezekia mpanjaka dia niakatra hamely ny tanàna mimanda rehetra any Joda i Sankeriba mpanjakan’i Asiria ka nahazo azy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tamin’ny taona faha-14 nanjakàn’i Hezekià no nahatongavan’i Saneheriba mpanjakan’i Asiria hanafika ny tanànamimanda rehetra tany Joda ka nahazoany ireny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’ny taona faha-14 nanjakàn’i Hezekià no nahatongavan’i Saneheriba mpanjakan’i Asiria hanafika ny tanànamimanda rehetra tany Joda ka nahazoany ireny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY tamin’ny taona fahefatra ambin’ny folo nanjakan’i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan’i Asyria, hamely ny tanàna mimanda rehetra any Joda ka nahafaka azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo nanjakan'i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, hamely ny tanàna mimanda rehetra any Joda ka nahafaka azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tamin’ny taona fahefatra amby folo nanjakan’i Hezekia mpanjaka dia niakatra hamely ny tanàna mimanda rehetra any Joda i Sankeriba mpanjakan’i Asiria ka nahazo azy.

Jereo ny toko



Isaia 36:1
11 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny taona faha-14 nanjakan’i Ezekiasa, dia niakatra hamely ny tanàna mimanda rehetra an’i Jodà, i Senakeriba mpanjakan’i Asiria, ka nahafaka an’ireny.


Ary ny mpanjakan’i Asiria naniraka ny jeneraliny ambony indrindra sy ny lehiben’ny eonoka, ny komandy mpandroso divay, mbamin’ny miaramila maro koa, avy any Lakisa, ho any amin’i Ezekiasa mpanjaka, any Jerosalema. Nony tonga tao izy, dia nijanona teo anilan’ny lakan-dranon’ny farihy ambony, amin’ny lalana mankamin’ny sahan’ny mpamotsy lamba,


Afany ny tanàna mimanda tamin’i Jodà, ary tonga hatrany Jerosalema izy.


Taorian’ireo zavatra aman’asa marina ireo, no niainga i Senakeriba mpanjakan’i Asiria, ka nidina tany Jodà, dia nanorina toby hamely ny tanàna mimanda, ary nikendry ny hahafaka azy.


I Iaveh hahatonga aminao sy ny vahoakanao ary amin’ny fianakavian-drainao, andro tsy mbola nisy tonga toa azy, hatramin’ny andro nisarahan’i Efraima tamin’i Jodà, - dia ny mpanjakan’i Asiria.


Amin’izany andro izany ny Tompo hanaratra, amin’ny hareza nahofany tany an-dafin’ny ony, - dia amin’ny mpanjakan’i Asiria, - ny loha sy ny volon-tongotra ary hoesoriny koa ny volombava.


Fa fery mahafaty ny azy, fa tonga hatrany amin’i Jodà, tonga hatreo am-bavahadin’ny vahoakako dia hatrany Jerosalema. izy.