Isaia 33:1 - Baiboly Katolika «Loza ho anao, ry mpandrava, mbola tsy noravana, ry mpandroba, tsy mbola norobaina! Rehefa nitsahatra ny nandrava ianao, dia horavana; rehefa tapi-nandroba ianao, dia horobaina.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Lozanao, ry ilay mandroba, nefa tsy norobaina ianao; ry ilay mamitaka, nefa tsy nofitahina ianao! Rehefa mitsahatra tsy mandrava intsony ianao dia mba horavana kosa; ary rehefa mitsahatra tsy mamitaka intsony ianao dia mba hofitahina kosa. DIEM PROTESTANTA Lozanao, ry ilay tsy norobaina nefa mandroba sy ry ilay tsy nofitahina nefa mamitaka. Rehefa mitsahatra mandrava ianao, dia mba horavana koa; ary rehefa mitsahatra mamitaka, dia mba hofitahina koa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Lozanao, ry ilay tsy norobaina nefa mandroba sy ry ilay tsy nofitahina nefa mamitaka. Rehefa mitsahatra mandrava ianao, dia mba horavana koa; ary rehefa mitsahatra mamitaka, dia mba hofitahina koa. Baiboly Protestanta Malagasy LOZANAO, ry ilay mandroba, nefa tsy norobaina hianao! Ary mamitaka, nefa tsy nofitahina hianao! Rehefa mitsahatra ny mandrava hianao, dia vao horavana kosa; Ary rehefa mitsahatra ny mamitaka hianao, dia vao hofitahina kosa. Malagasy Bible Lozanao, ry ilay mandroba, nefa tsy norobaina ianao! Ary mamitaka, nefa tsy nofitahina ianao! Rehefa mitsahatra ny mandrava ianao, dia vao horavana kosa; Ary rehefa mitsahatra ny mamitaka ianao, dia vao hofitahina kosa. La Bible en Malgache Lozanao, ry ilay mandroba, nefa tsy norobaina ianao; ry ilay mamitaka, nefa tsy nofitahina ianao! Rehefa mitsahatra tsy mandrava intsony ianao dia mba horavana kosa; ary rehefa mitsahatra tsy mamitaka intsony ianao dia mba hofitahina kosa. |
Nefa izao no hitranga raha avy izay hahatanterahan’ny Tompo ny asany manontolo, amin’ny tendrombohitra Siôna sy amin’i Jerosalema, dia hosavako ny vokatry ny fo be anjonanjon’ny mpanjakan’i Asiria, sy ny reharehan’ny masony miandranandrana.
Hanorotoro an’i Asora amin’ny taniko aho, ary hanosihosy azy eo an-tendrombohitro. Dia hoesorina amin’izy ireo ny jiogany, ary halana eo an-tsorok’izy ireo ny entany.
Amin’ny andro hariva dia indro ny fahareraham-po; alohan’ny maraina dia tsy ao intsony ireny! Izany no anjaran’ireo mandroba antsika, izany no hanjò an’ireo mamabo antsika.
Misy fahitana mahatsiravina naseho tamiko: ny mpandroba, mandroba; ny mpandrava, mandrava. «Iakaro, ry Elama! Hodidino, ry Meda! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.»
Renay avy hatrany am-paran’ny tany, ny hira hoe: «Voninahitra ho an’ny marina!» - Fa hoy aho: «Maty aho! Maty aho, loza ho ahy! Ny mpandroba mandroba, ny mpandroba mandroba tsy anerany!»
Ary i Asora ho lavon-tsabatra, nefa tsy sabatr’olombelona; sabatra izay tsy sabatr’olombelona no handevona azy; handositra eo anoloan’ny sabatra izy, ary ny zatovony hampandoavina hetra.
Tsy mbola nandre izany ianao, tsy nahalala izany ianao; tsy mbola nandre izany velively ny fonao. Satria fantatro ianao fa mpivadika loatra, ary ny anaranao hatrany an-kibon-dreninao dia hoe mpivadika.
Tsy hitondra kitay hazo avy any an-tsaha intsony izy ireo, na hikapa hazo any an’ala, fa ny fiadiana no hatainy; hamabo an’izay namabo azy izy; ary handroba an’izay nandroba azy, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Amin’izany andro izany hofaranako ny amin’ny momba an’ireo rehetra mpampahory anao: Hovonjeko ikala mandringa, hangoniko ikala voaroaka, ka hataoko be voninahitra sy malaza izy ireo, any amin’ny tany rehetra nanakoràna azy.
fa araka ny fitsarana hataonareo no hitsarana anareo, ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana ho anareo koa.
Izay tokony ho amin’ny fahababoana, dia mankany amin’ny fahababoana; izay mamono amin’ny sabatra tsy maintsy hovonoina amin’ny sabatra. Toy izany no fandeferana sy finoan’ny olo-masina.
Fa nandatsaka ny ran’ny olo-masina sy ny mpaminany izy ireo, ka tandrifiny raha ra kosa no nomenao hosotroiny.»
Fa Andriamanitra efa nanome fo azy ireo hanatanteraka ny heviny, sy hanome ny fanjakany ho an’ny Biby, mandra-pahatanteraky ny tenin’Andriamanitra.
Dia hoy i Adôni-Bezeka: «Mpanjaka fitopolo notapahina ankiben-tongotra aman-tanana no nitsindroka tao ambany latabatro, ka ny nataoko ity no afotitr’Andriamanitra amiko.» Nentina nankany Jerosalema izy, dia maty tany.
dia nanirahan’Andriamanitra fanahy ratsy i Abimeleka sy ny mponina tao Sikema, ka nivadika tamin’i Abimeleka ny mponina tao Sikema,