Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 3:3 - Baiboly Katolika

ny kapiteny aman’olom-boalohandohany, mbamin’ny mpanolo-tsaina, ny mpanao taozavatra kinga amin’ny raharahany ama-mpanao fankatoavana famantsy lahy;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ny mpifehy dimampolo sy ny manankaja, ny mpanolotsaina sy ny mpahay taozavatra ary ny mahay ny boredirediky ny mpitana ody.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ny manamboninahitra sy ny olo-manan-kaja, ny mpanolotsaina mbamin’ny manampahaizana, ary ireo havanana amin’ny fanaovana vorika.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ny manamboninahitra sy ny olo-manan-kaja, ny mpanolotsaina mbamin’ny manampahaizana, ary ireo havanana amin’ny fanaovana vorika.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ny mpifehy ny dimam-polo sy ny manan-kaja, Ny mpanolo-tsaina sy ny mahay zavatra Ary ny mahay ny fiboeriboeriky ny mpanao ody.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ny mpifehy ny dimam-polo sy ny manan-kaja, Ny mpanolo-tsaina sy ny mahay zavatra Ary ny mahay ny fiboeriboeriky ny mpanao ody.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ny mpifehy dimampolo sy ny manankaja, ny mpanolotsaina sy ny mpahay taozavatra ary ny mahay ny boredirediky ny mpitana ody.

Jereo ny toko



Isaia 3:3
11 Rohy Ifampitohizana  

Fa an’ny sandry matanjaka ny tany, ary izay mana-mpiaro no miorim-ponenana eo.


Ary ankehitriny dia ifidiano lehilahy mahay sy matahotra an’Andriamanitra, ao amin’ny vahoaka rehetra, lehilahy marina sy tsy tia kolikoly, ka ireny no atsangano ho tomponarivo sy tompon-jato, ary mpifehy dimampolo ama-mpifehy folo, hitondra azy ireo.


Dia hoy i Môizy tamin’i Iaveh: «Indrisy! ry Tompo, olona mananosarotra ihany aho raha hiteny, ary hatramin’ny omaly sy afak’omaly no toy izany aho, ary na dia hatramin’izao itenenanao amin’ny mpanomponao izao aza, miambatrambatra ny vavako sy ny lelako.»


ny vonjy rehetra momba ny mofo, ny vonjy rehetra momba ny rano, ny mahery fo mbamin’ny lehilahy mpiady, ny mpitsara, ny mpaminany ama-mpimasy, ny loholona,


«dia zatovolahy no apetrako ho lehiben’izy ireo, ary ankizy no hanapaka azy.»


Noho izany ny vahoakako ho lasan-ko babo, tsy manampò izany akory; ny andriany ho zary andian’olo-noana, ary ny valalabemandry aminy ho main’ny hetaheta.


Fa ireo mitarika ity vahoaka ity mamily azy, ary izay voatarika dia very.


Dia naka ny lohan’ny fokonareo aho, izay olon-kendry sy hita toetra ka nataoko mpifehy anareo, ho tomponarivo, tompon-jato, mpifehy dimampolo, mpifehy folo, ary ho mpitsara amin’ny fokonareo.


Ary hoy izy tamin’i Zebea sy i Salmanà: «Lehilahy toy inona moa, izany novonoinareo tany Tabôra izany?» Dia hoy ireo: «Tahaka anao izao izy; samy mitarehin-janak’andriana avokoa izy.»


Hataony mpifehy arivo, mpifehy dimampolo izy; hampiasainy ny taniny, hampijinjainy ny variny, hampanaoviny ny fiadiany, mbamin’ny forongon-kalesiny.